Matthew 28
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ ny alin’ ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.Select Matthew 28:1
2Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.Select Matthew 28:2
3Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;Select Matthew 28:3
4ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.Select Matthew 28:4
5Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.Select Matthew 28:5
6Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ ny Tompo.Select Matthew 28:6
7Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.Select Matthew 28:7
8Dia niala faingana tamin’ ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ ny mpianatra.Select Matthew 28:8
9Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.Select Matthew 28:9
10Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.Select Matthew 28:10
11Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin’ ny lohan’ ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.Select Matthew 28:11
12Ary rehefa niangona izy mbamin’ ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramilaSelect Matthew 28:12
13ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;Select Matthew 28:13
14ary raha misy milaza izany amin’ ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.Select Matthew 28:14
15Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ ny Jiosy mandraka androany.Select Matthew 28:15
16Ary ny mpianatra iraika ambin’ ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ ilay tendrombohitra nasain’ i Jesosy halehany.Select Matthew 28:16
17Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.Select Matthew 28:17
18Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;Select Matthew 28:18
19koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy MasìnaSelect Matthew 28:19
20sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.Select Matthew 28:20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation