Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 3

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tamin’ izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr’ i Jodia nanao hoe:Select Matthew 3:1

2Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.Select Matthew 3:2

3Fa izy no ilay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.Select Matthew 3:3

4Ary ny fitafian’ izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.Select Matthew 3:4

5Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ ny tany rehetra amoron’ i i Jordana dia nivoaka nankany amin’ i Jaona,Select Matthew 3:5

6ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.Select Matthew 3:6

7Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?Select Matthew 3:7

8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;Select Matthew 3:8

9ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.Select Matthew 3:9

10Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.Select Matthew 3:10

11Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;Select Matthew 3:11

12eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy mety maty.Select Matthew 3:12

13Ary tamin’ izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’ i Jordana, dia nanatona an’ i Jaona Izy mba hataony batisa.Select Matthew 3:13

14Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?Select Matthew 3:14

15Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.Select Matthew 3:15

16Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.Select Matthew 3:16

17Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.Select Matthew 3:17

Next: Matthew 4Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.