Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jesosy dia nentin’ ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain’ ny devoly fanahy.Select Matthew 4:1

2Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.Select Matthew 4:2

3Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.Select Matthew 4:3

4Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.Select Matthew 4:4

5Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin’ ny tanàna masìna ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,Select Matthew 4:5

6dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.Select Matthew 4:6

7Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao.Select Matthew 4:7

8Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao mbamin’ ny voninahiny,Select Matthew 4:8

9dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.Select Matthew 4:9

10Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.Select Matthew 4:10

11Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.Select Matthew 4:11

12Ary nony ren’ i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.Select Matthew 4:12

13Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ ny zara-tanin’ ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,Select Matthew 4:13

14mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:Select Matthew 4:14

15Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly, Ao amin’ ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Galilia, tanin’ ny jentilisa,Select Matthew 4:15

16Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana.Select Matthew 4:16

17Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.Select Matthew 4:17

18Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.Select Matthew 4:18

19Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.Select Matthew 4:19

20Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.Select Matthew 4:20

21Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.Select Matthew 4:21

22Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.Select Matthew 4:22

23Ary Jesosy nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.Select Matthew 4:23

24Ary niely eran’ i Syria ny lazany, ka dia nentin’ ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon’ ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin’ ny androbe ary ny mararin’ ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.Select Matthew 4:24

25Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’ i Jordana.Select Matthew 4:25

Next: Matthew 5Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.