Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 7

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.Select Matthew 7:1

2Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.Select Matthew 7:2

3Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao?Select Matthew 7:3

4Ary ahoana no hilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ ny masonao?Select Matthew 7:4

5Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao.Select Matthew 7:5

6Aza omena ny alika izay masìna; ary aza atsipy eo anoloan’ ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo.Select Matthew 7:6

7Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Select Matthew 7:7

8Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.Select Matthew 7:8

9Ary iza moa aminareo, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato?Select Matthew 7:9

10ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?Select Matthew 7:10

11Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’ izay mangataka aminy?Select Matthew 7:11

12Koa amin’ izany na inona na inona tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.Select Matthew 7:12

13Midìra amin’ ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.Select Matthew 7:13

14Fa èty ny vavahady, ary terỳ ny lalana izay mankany amin’ ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.Select Matthew 7:14

15Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ ny fitafian’ ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.Select Matthew 7:15

16Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ ny songosongo?Select Matthew 7:16

17Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.Select Matthew 7:17

18Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.Select Matthew 7:18

19Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.Select Matthew 7:19

20Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.Select Matthew 7:20

21Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.Select Matthew 7:21

22Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?Select Matthew 7:22

23Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.Select Matthew 7:23

24Koa amin’ izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny vatolampy.Select Matthew 7:24

25Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ ny vatolampy.Select Matthew 7:25

26Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny fasika.Select Matthew 7:26

27Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.Select Matthew 7:27

28Ary nony efa vitan’ i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,Select Matthew 7:28

29satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.Select Matthew 7:29

Next: Matthew 8Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.