Matthew 8
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.Select Matthew 8:1
2Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.Select Matthew 8:2
3Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ ny habokany niaraka tamin’ izay izy.Select Matthew 8:3
4Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo.Select Matthew 8:4
5Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminySelect Matthew 8:5
6nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ ny paralysisa ka mijaly loatra.Select Matthew 8:6
7Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.Select Matthew 8:7
8Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.Select Matthew 8:8
9Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin’ ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin’ ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.Select Matthew 8:9
10Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’ izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ ny Isiraely aza.Select Matthew 8:10
11Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra;Select Matthew 8:11
12fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin’ ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.Select Matthew 8:12
13Ary Jesosy niteny tamin’ ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’ izany ora izany ilay ankizilahy.Select Matthew 8:13
14Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin’ i Petera nandry teo nanavin’ ny tazo.Select Matthew 8:14
15Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.Select Matthew 8:15
16Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,Select Matthew 8:16
17mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.Select Matthew 8:17
18Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.Select Matthew 8:18
19Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.Select Matthew 8:19
20Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.Select Matthew 8:20
21Ary nisy hafa koa tamin’ ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.Select Matthew 8:21
22Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.Select Matthew 8:22
23Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.Select Matthew 8:23
24Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.Select Matthew 8:24
25Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!Select Matthew 8:25
26Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.Select Matthew 8:26
27Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!Select Matthew 8:27
28Ary nony tonga teny am-pita teo amin’ ny tanin’ ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin’ ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin’ izany lalana izany.Select Matthew 8:28
29Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak’ Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan’ ny fotoana?Select Matthew 8:29
30Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.Select Matthew 8:30
31Ary ny demonia nifona tamin’ i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin’ ireo kisoa andiany ireo.Select Matthew 8:31
32Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ ny rano.Select Matthew 8:32
33Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ ireo demoniaka.Select Matthew 8:33
34Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an’ i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin’ ny fari-taniny.Select Matthew 8:34
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation