Skip to content
Church.wiki
Malachi

Malachi 3

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Malachi 3:1

2Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ ny mpandrendrika sy ny savonin’ ny mpanasa lamba.Select Malachi 3:2

3Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’ i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.Select Malachi 3:3

4Dia ho mamin’ i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ ny andro fahiny sy toy ny tamin’ ny taona taloha.Select Malachi 3:4

5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Malachi 3:5

6Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’ i Jakoba, dia tsy fongana.Select Malachi 3:6

7Hatramin’ ny andron’ ny razanareo dia efa niala tamin’ ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?Select Malachi 3:7

8Handroba an’ Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin’ inona moa no androbanay Anao? Amin’ ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.Select Malachi 3:8

9Voaozona amin’ ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.Select Malachi 3:9

10Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.Select Malachi 3:10

11Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Malachi 3:11

12Ary ianareo hataon’ ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Malachi 3:12

13Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?Select Malachi 3:13

14Tamin’ ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an’ Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin’ ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Malachi 3:14

15Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an’ Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.Select Malachi 3:15

16Ary tamin’ izany izay natahotra an’ i Jehovah dia samy niresaka tamin’ ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’ i Jehovah sy mihevitra ny anarany.Select Malachi 3:16

17Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.Select Malachi 3:17

18Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’ Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.Select Malachi 3:18

19Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.Select Malachi 3:19

20Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’ omby mifahy;Select Malachi 3:20

21ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ ny faladianareo izay amin’ ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Malachi 3:21

22Tsarovinareo ny lelan’ i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.Select Malachi 3:22

23Indro, Izaho haniraka an’ i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’ i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;Select Malachi 3:23

24ary izay hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ ny fandringanana.Select Malachi 3:24

Next: Matthew 1Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Malachi

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.