Skip to content
Church.wiki

Micah Chapter 5 Baiboly Malagasy (1865)

Minor prophets · Micah · Baiboly Malagasy (1865) · 14 verses

Verse layout
📝 Overview of this chapter Flow, key verses and people

미가 5장은 포위당한 이스라엘의 굴욕 속에서 작은 고을 베들레헴 에브라다에서 이스라엘을 다스릴 자가 나오리라 예고하고, 야곱의 남은 자의 앞날과 우상·군사력을 없애는 정화를 말하는 장이다.

Jump to verse

5Micah · Baiboly Malagasy (1865)
1Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
2Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
3Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ ny herin’ i Jehovah. Sy amin’ ny voninahitry ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin’ ny faran’ ny tany Izy.
4Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin’ ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin’ ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
5Ary handany ny tany Asyria amin’ ny sabatra Sy ny tanin’ i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin’ ny Asyriana, Raha tonga amin’ ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ ny fari-tanintsika ireny.
6Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin’ i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak’ olombelona.
7Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny jentilisa, Ao amin’ ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ ny biby any an’ ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ ny andian’ ny ondry aman’ osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
8Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
9Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
10Hofoanako ny tanàna amin’ ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
11Hofoanako tsy hisy amin’ ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
12Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan’ ny asan’ ny tananao intsony ianao.
13Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.
14Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.

Baiboly Malagasy (1865)
Tap a verse to copy, share, highlight or add a note. Dotted words link to encyclopedia articles.

14 verses in this chapter
5 / 7 chapters

The text is Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — From getbible.net (CrossWire SWORD module) · license: 공개 도메인 (Public Domain) Highlights, notes and read marks stay with the chapter whichever version you read. Dotted words are people, places and terms that have an encyclopedia article (marked once per page). Highlights, notes and read marks are saved only in this browser and gathered under My marks.

Articles mentioning this chapter

More