Numbers 26
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona:Select Numbers 26:1
2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin’ ny Isiraely azo halefa hanafika.Select Numbers 26:2
3Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:Select Numbers 26:3
4Ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely izay nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.Select Numbers 26:4
5Robena, lahimatoan’ Isiraely; ary ny zanak’ i Robena dia Hanoka sy ny fokon’ ny Hanokita; avy tamin’ i Palo ny fokon’ ny Paloïta;Select Numbers 26:5
6avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Karmy ny fokon’ ny Karmita.Select Numbers 26:6
7Ireo no fokon’ ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.Select Numbers 26:7
8Ary ny zanak’ i Palo dia Eliaba.Select Numbers 26:8
9Ary ny zanak’ i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin’ ny fiangonana, izay nila ady tamin’ i Mosesy sy Arona, teo amin’ ny antokon’ i Kora, raha nila ady tamin’ i Jehovah izy,Select Numbers 26:9
10ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin’ i Kora, tamin’ ny nahafatesan’ izany antokony izany, ary levon’ ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.Select Numbers 26:10
11Kanefa ny zanak’ i Kora tsy mba maty.Select Numbers 26:11
12Ny taranak’ i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Nemoela ny fokon’ ny Nemoelita; avy tamin’ i Jamina ny fokon’ ny Jaminita; avy tamin’ i Jakina ny fokon’ ny Jakinita;Select Numbers 26:12
13avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita; avy tamin’ i Saoly ny fokon’ ny Saolita.Select Numbers 26:13
14Ireo no fokon’ ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.Select Numbers 26:14
15Ny taranak’ i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Zefona ny fokon’ ny Zefonita; avy tamin’ i Hagy ny fokon’ ny Hagita; avy tamin’ i Sony ny fokon’ ny Sonita;Select Numbers 26:15
16avy tamin’ i Ozny ny fokon’ ny Oznita; avy tamin’ i Erỳ ny fokon’ ny Erita;Select Numbers 26:16
17avy tamin’ i Aroda ny fokon’ ny Arodita; avy tamin’ i Arely ny fokon’ ny Arelita.Select Numbers 26:17
18Ireo no fokon’ ny zanak’ i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alinaSelect Numbers 26:18
19Ny zanak’ i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany.Select Numbers 26:19
20Ary ny taranak’ i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sela ny fokon’ ny Selita; avy tamin’ i Fareza ny fokon’ ny Farezita; avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita.Select Numbers 26:20
21Ary ny taranak’ i Fareza dia izao: avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Hamola ny fokon’ ny Hamolita.Select Numbers 26:21
22Ireo no fokon’ i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.Select Numbers 26:22
23Ny taranak’ Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Tola ny fokon’ ny Tolita; avy tamin’ i Pova ny fokon’ ny Povita;Select Numbers 26:23
24avy tamin’ i Jasoba ny fokon’ ny Jasobita; avy tamin’ i Simrona ny fokon’ ny Simronita,Select Numbers 26:24
25Ireo no fokon’ Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.Select Numbers 26:25
26Ny taranak’ i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sereda ny fokon’ ny Seredita; avy tamin’ i Elona ny fokon’ ny Elonita; avy tamin’ i Jahalela ny fokon’ ny Jahalelita.Select Numbers 26:26
27Ireo no fokon’ ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina alina.Select Numbers 26:27
28Ny zanak’ i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.Select Numbers 26:28
29Ny taranak’ i Manase dia izao: avy tamin’ i Makira ny fokon’ ny Makirita; ary Makira niteraka an’ i Gileada; avy tamin’ i Gileada ny fokon’ ny Gileadita.Select Numbers 26:29
30Izao no taranak’ i Gileada: avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Heleka ny fokon’ ny Helekita;Select Numbers 26:30
31ary avy tamin’ i Asriela ny fokon’ ny Asrielita; ary avy tamin’ i Sekema ny fokon’ ny Sekemita;Select Numbers 26:31
32ary avy tamin’ i Semida ny fokon’ ny Semidita; ary avy tamin’ i Hefera ny fokon’ ny Heferita.Select Numbers 26:32
33Ary Zelofada, zanak’ i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.Select Numbers 26:33
34Ireo no fokon’ i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.Select Numbers 26:34
35Izao no taranak’ i Efraima, araka ny fokony: avy tamin’ i Sotela ny fokon’ ny Sotelita; avy tamin’ i Bekera ny fokon’ ny Bekerita; avy tamin’ i Tahana ny fokon’ ny Tahanita.Select Numbers 26:35
36Ary izao no taranak’ i Sotela: avy tamin’ i Erana ny fokon’ ny Eranita.Select Numbers 26:36
37Ireo no fokon’ ny taranak’ i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’ i Josefa araka ny fokony.Select Numbers 26:37
38Ny taranak’ i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Bela ny fokon’ ny Belita; avy tamin’ i Asibela ny fokon’ ny Asibelita; avy tamin’ i Ahirama ny fokon’ ny Ahiramita;Select Numbers 26:38
39avy tamin’ i Sefofama ny fokon’ ny Sefofamita; avy tamin’ i Hofama ny fokon’ ny Hofamita.Select Numbers 26:39
40Ary ny taranak’ i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon’ ny Ardita; ary avy tamin’ i Namana ny fokon’ ny Namanita.Select Numbers 26:40
41Ireo no taranak’ i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.Select Numbers 26:41
42Izao no taranak’ i Dana, araka ny fokony: avy tamin’ i Sohama ny fokon’ ny Sohamita. Ireo no fokon’ i Dana, araka ny fokony.Select Numbers 26:42
43Ny fokon’ ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.Select Numbers 26:43
44Ny taranak’ i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin’ i Jimna ny fokon’ ny Jimnita; avy tamin’ i Jisvy ny fokon’ ny Jisvita; avy tamin’ i Bena ny fokon’ ny Berita;Select Numbers 26:44
45avy tamin’ ny zanak’ i Bena dia izao: avy tamin’ i Hebera ny fokon’ ny Heberita; avy tamin’ i Malkiela ny fokon’ ny Malkielita.Select Numbers 26:45
46Ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Asera dia Sera.Select Numbers 26:46
47Ireo no fokon’ ny taranak’ i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.Select Numbers 26:47
48Ny taranak’ i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Jaziela ny fokon’ ny Jazielita; avy tamin’ i Gony ny fokon’ ny Gonita;Select Numbers 26:48
49avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Silema ny fokon’ ny Silemita.Select Numbers 26:49
50Ireo no fokon’ i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.Select Numbers 26:50
51Ireo no voalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.Select Numbers 26:51
52Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 26:52
53Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.Select Numbers 26:53
54Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.Select Numbers 26:54
55Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ ny firenen’ ny razany no hahazoany zara-tany.Select Numbers 26:55
56Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ ny maro, na ny ho an’ ny vitsy.Select Numbers 26:56
57Ary izao no voalamina tamin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony: avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Gersonita; avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Kehatita; avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Merarita.Select Numbers 26:57
58Izao no fokon’ i Levy: ny fokon’ ny Libnita, ny fokon’ ny Hebronita, ny fokon’ ny Mahalita, ny fokon’ ny Mosita, ny fokon’ ny Koralta. Ary Kehata niteraka an’ i Amrama.Select Numbers 26:58
59Ary ny anaran’ ny vadin’ i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’ i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’ i Amrama izy.Select Numbers 26:59
60Ary ny naterak’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.Select Numbers 26:60
61Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah.Select Numbers 26:61
62Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.Select Numbers 26:62
63Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.Select Numbers 26:63
64Ary tamin’ ireo dia tsy nisy olona avy tamin’ izay efa voalamin’ i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’ izy nandamina ny Zanak’ Isiraely tany an-efitr’ i Sinay.Select Numbers 26:64
65Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin’ ireny afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona, ihany.Select Numbers 26:65
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain