Skip to content
Church.wiki
Numbers

Numbers 29

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary amin’ ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.Select Numbers 29:1

2Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,Select Numbers 29:2

3ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,Select Numbers 29:3

4ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito)Select Numbers 29:4

5ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,Select Numbers 29:5

6ho fanampin’ ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.Select Numbers 29:6

7Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masìna ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.Select Numbers 29:7

8Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)Select Numbers 29:8

9ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,Select Numbers 29:9

10ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia amin’ ny zanak’ ondry fito)Select Numbers 29:10

11ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:11

12Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.Select Numbers 29:12

13Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.Select Numbers 29:13

14ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy, dia ny vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roaSelect Numbers 29:14

15ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo)Select Numbers 29:15

16ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:16

17Ary amin’ ny andro faharoa koa dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,Select Numbers 29:17

18ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,Select Numbers 29:18

19ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:19

20Ary amin’ ny andro fahatelo koa dia vantotr’ ombilahy iraika ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,Select Numbers 29:20

21ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,Select Numbers 29:21

22ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:22

23Ary amin’ ny andro fahefatra koa dia vantotr’ ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,Select Numbers 29:23

24ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,Select Numbers 29:24

25ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:25

26Ary amin’ ny andro fahadimy koa dia vantotr’ ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,Select Numbers 29:26

27ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,Select Numbers 29:27

28ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:28

29Ary amin’ ny andro fahenina koa dia vantotr’ ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,Select Numbers 29:29

30ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,Select Numbers 29:30

31ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:31

32Ary amin’ ny andro fahafito koa dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,Select Numbers 29:32

33ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,Select Numbers 29:33

34ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:34

35Ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.Select Numbers 29:35

36Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,Select Numbers 29:36

37ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,Select Numbers 29:37

38ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 29:38

39Ireo no haterinareo ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.Select Numbers 29:39

Next: Numbers 30Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Numbers

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.