Skip to content
Church.wiki
Numbers

Numbers 5

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 5:1

2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin’ ny toby;Select Numbers 5:2

3na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan’ ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.Select Numbers 5:3

4Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan’ ny toby; araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.Select Numbers 5:4

5Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 5:5

6Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ ny olona ka manao izay mahadiso amin’ i Jehovah ary meloka,Select Numbers 5:6

7dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin’ ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an’ ilay nanaovany diso.Select Numbers 5:7

8Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin’ ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an’ i Jehovah ka ho an’ ny mpisorona, ho fanampin’ ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.Select Numbers 5:8

9Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.Select Numbers 5:9

10Ary ho azy ny zava-masìna aterin’ ny olona rehetra; na inona na inona omen’ olona ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.Select Numbers 5:10

11Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 5:11

12Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin’ olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ ny lahy,Select Numbers 5:12

13fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan’ ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;Select Numbers 5:13

14kanefa misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;Select Numbers 5:14

15dia ho entin’ ny lahy ho eo amin’ ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon’ ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.Select Numbers 5:15

16Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan’ i Jehovah;Select Numbers 5:16

17dia haka rano masìna amin’ ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’ izay itoeran’ ny tabernakely dia hangalan’ ny mpisorona ka hataony amin’ ny rano;Select Numbers 5:17

18ary ravehivavy dia hampitoeran’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan’ ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;Select Numbers 5:18

19dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin’ ny vadinao ho amin’ ny fahalotoana ianao, dia afaka amin’ ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;Select Numbers 5:19

20fa raha nivily niala tamin’ ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,Select Numbers 5:20

21dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ ny firenenao, amin’ ny fampifezahan’ i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;Select Numbers 5:21

22ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.Select Numbers 5:22

23Ary hosoratan’ ny mpisorona amin’ ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin’ ny rano mangidy ny soratra;Select Numbers 5:23

24dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.Select Numbers 5:24

25Dia halain’ ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan’ i Jehovah izany ka hateriny eo amin’ ny alitara.Select Numbers 5:25

26Dia horaofin’ ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.Select Numbers 5:26

27Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin’ ny fireneny ravehivavy.Select Numbers 5:27

28Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan’ anaka.Select Numbers 5:28

29Izany no lalàna ny amin’ ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin’ ny vadiny ka voaloto;Select Numbers 5:29

30na misy lehilahy azon’ ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.Select Numbers 5:30

31Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.Select Numbers 5:31

Next: Numbers 6Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Numbers

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.