Skip to content
Church.wiki
Numbers

Numbers 6

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 6:1

2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’ i Jehovah,Select Numbers 6:2

3dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.Select Numbers 6:3

4Amin’ ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin’ ny voaloboka hatramin’ ny voany ka hatramin’ ny hodiny izy.Select Numbers 6:4

5Amin’ ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’ i Jehovah dia ho masìna izy, ka havelany haniry ny volondohany.Select Numbers 6:5

6Amin’ ny andro rehetra izay itokanany ho an’ i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;Select Numbers 6:6

7aoka tsy handoto tena izy na dia amin’ ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin’ ny lohany ny fitokanana ho an’ Andriamaniny.Select Numbers 6:7

8Amin’ ny andro fitokanany rehetra dia ho masìna ho an’ i Jehovah izy.Select Numbers 6:8

9Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin’ ny andro fanadiovana azy izy, dia amin’ ny andro fahafito no hanaratany azy;Select Numbers 6:9

10ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy.Select Numbers 6:10

11Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin’ ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin’ izany andro izany izy.Select Numbers 6:11

12Dia hanokana ho an’ i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokananySelect Numbers 6:12

13Ary izao no lalàna ny amin’ ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy;Select Numbers 6:13

14ary hanatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,Select Numbers 6:14

15ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.Select Numbers 6:15

16Dia haterin’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;Select Numbers 6:16

17dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.Select Numbers 6:17

18Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin’ ny afo izay eo ambanin’ ny fanati-pihavanana.Select Numbers 6:18

19Dia halain’ ny mpisorona ny sorok’ ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin’ ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin’ ny tanan’ ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.Select Numbers 6:19

20Dia hahevahevan’ ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna izany ho an’ ny mpisorona ho fanampin’ ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.Select Numbers 6:20

21Izany no lalàna ny amin’ ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ ny fitokanany.Select Numbers 6:21

22Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 6:22

23Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak’ Isiraely:Select Numbers 6:23

24Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;Select Numbers 6:24

25Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;Select Numbers 6:25

26Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.Select Numbers 6:26

27Dia hametraka ny anarako amin’ ny Zanak’ Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.Select Numbers 6:27

Next: Numbers 7Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Numbers

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.