Numbers 7
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary tamin’ ny andro izay nahavitan’ i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,Select Numbers 7:1
2dia nitondra fanatitra ny lohan’ ny firenen’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny fianakaviana (ireo no lohan’ ny firenena, izay nifehy ny voalamina).Select Numbers 7:2
3Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan’ i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin’ ny folo, dia sariety iray no avy amin’ ny lohan’ ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan’ ny tabernakely izy.Select Numbers 7:3
4Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 7:4
5Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.Select Numbers 7:5
6Dia noraisin’ i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.Select Numbers 7:6
7Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an’ ny taranak’ i Gersona, araka ny fanompoany;Select Numbers 7:7
8ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany, eo amin’ ny fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona.Select Numbers 7:8
9Fa ny taranak’ i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masìna no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.Select Numbers 7:9
10Dia ny lohan’ ny firenena no nanatitra ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan’ ny alitara izy.Select Numbers 7:10
11Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aoka ny lohan’ ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin’ ny an’ androny avy ho amin’ ny fitokanana ny alitara.Select Numbers 7:11
12Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin’ ny andro voalohany dia Nasona, zanak’ i Aminadaba, avy tamin’ ny firenen’ i Joda.Select Numbers 7:12
13Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:13
14lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:14
15ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:15
16ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:16
17ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Nasona, zanak’ i Aminadaba.Select Numbers 7:17
18Ary tamin’ ny andro faharoa dia Netanela, zanak’ i Zoara, lohan’ ny taranak’ Isakara, no nanatitra.Select Numbers 7:18
19Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:19
20lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:20
21ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:21
22ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:22
23ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Netanela, zanak’ i Zoara.Select Numbers 7:23
24Ary tamin’ ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak’ i Helona, lohan’ ny taranak’ i Zebolona, no nanatitra.Select Numbers 7:24
25Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:25
26lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:26
27vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:27
28ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:28
29ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliaba, zanak’ i Helona.Select Numbers 7:29
30Ary tamin’ ny andro fahefatra dia Elizora, zanak’ i Sedeora, lohan’ ny taranak’ i Robena, no nanatitra.Select Numbers 7:30
31Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:31
32lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;Select Numbers 7:32
33vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:33
34ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:34
35ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray ireo no fanatitr’ i Elizora, zanak’ i Sedeora.Select Numbers 7:35
36Ary tamin’ ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday, lohan’ ny taranak’ i Simeona, no nanatitra.Select Numbers 7:36
37Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:37
38lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:38
39vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:39
40ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:40
41ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Selomiela, zanak’ i Zorisaday,Select Numbers 7:41
42Ary tamin’ ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak’ i Doela, lohan’ ny taranak’ i Gada, no nanatitra.Select Numbers 7:42
43Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:43
44lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:44
45vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:45
46ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:46
47ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliasafa, zanak’ i Doela.Select Numbers 7:47
48Ary tamin’ ny andro fahafito dia Elisama, zanak’ i Amihoda, lohan’ ny taranak’ i Efraima, no nanatitra.Select Numbers 7:48
49Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:49
50lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:50
51vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:51
52ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:52
53ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Elisama, zanak’ i Amihoda.Select Numbers 7:53
54Ary tamin’ ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora, lohan’ ny taranak’ i Manase, no nanatitra.Select Numbers 7:54
55Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:55
56lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:56
57vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:57
58ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:58
59ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Gamaliela, zanak’ i Pedazora.Select Numbers 7:59
60Ary tamin’ ny andro fahasivy dia Abidana, zanak’ i Gideony, lohan’ ny taranak’ i Benjamina, no nanatitra.Select Numbers 7:60
61Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:61
62lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:62
63vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:63
64ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:64
65ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Abidana, zanak’ i Gideony.Select Numbers 7:65
66Ary tamin’ ny andro fahafolo Ahiezera, zanak’ i Amisaday, lohan’ ny taranak’ i Dana, no nanatitra.Select Numbers 7:66
67Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:67
68lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:68
69vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:69
70ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:70
71ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahiezera, zanak’ i Amisaday.Select Numbers 7:71
72Ary tamin’ ny andro fahiraika ambin’ ny folo dia Pagiela, zanak’ i Okrana, lohan’ ny taranak’ i Asera, no nanatitra.Select Numbers 7:72
73Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:73
74lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:74
75vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;Select Numbers 7:75
76osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:76
77ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Pagiela, zanak’ i Okrana.Select Numbers 7:77
78Ary tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo dia Ahira, zanak’ i Enana, lohan’ ny taranak’ i Naftaly, no nanatitra.Select Numbers 7:78
79Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;Select Numbers 7:79
80lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;Select Numbers 7:80
81vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;Select Numbers 7:81
82ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;Select Numbers 7:82
83ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahira, zanak’ i Enana.Select Numbers 7:83
84Ireo no zavatra naterin’ ny lohan’ ny Isiraely ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin’ ny folo, lovia volafotsy roa ambin’ ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin’ ny folo;Select Numbers 7:84
85sekely telo-polo amby zato avy no lanjan’ ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan’ ny volafotsy rehetra tamin’ ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masìna;Select Numbers 7:85
86lovia kely volamena roa ambin’ ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masìna; ny lanjan’ ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.Select Numbers 7:86
87Ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo, ondrilahy roa ambin’ ny folo, zanak’ ondry roa ambin’ ny folo, izay samy iray taona, mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota.Select Numbers 7:87
88Ary ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr’ ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak’ ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.Select Numbers 7:88
89Ary rehefa niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’ Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.Select Numbers 7:89
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain