1 Peter 4
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Koa satria niaritra tamin’ ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ ny nofo dia efa afaka tamin’ ny ny ota;Select 1 Peter 4:1
2mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ ny nofo araka ny filan’ ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra.Select 1 Peter 4:2
3Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ ny jentilisa tamin’ ny nandehanana tamin’ ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;Select 1 Peter 4:3
4ary amin’ izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’ izany fanaranam-po amin’ ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;Select 1 Peter 4:4
5nefa hampamoahin’ ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny matySelect 1 Peter 4:5
6Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin’ ny nofo izy fa ho velona araka an’ Andriamanitra amin’ ny fanahy.Select 1 Peter 4:6
7Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ ny fivavahana.Select 1 Peter 4:7
8Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa “ny fitiavana manarona fahotana maro”Select 1 Peter 4:8
9Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.Select 1 Peter 4:9
10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.Select 1 Peter 4:10
11Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’ Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy; mba hankalazana an’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,Select 1 Peter 4:11
12Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,Select 1 Peter 4:12
13fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ ny fisehoan’ ny voninahiny koa.Select 1 Peter 4:13
14Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’ i Kristy, fa ny Fanahin’ ny voninahitra, dia ny Fanahin’ Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.Select 1 Peter 4:14
15Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’ olona.Select 1 Peter 4:15
16Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’ Andriamanitra amin’ izany anarana izany izy.Select 1 Peter 4:16
17Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?Select 1 Peter 4:17
18Ary “raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota?”.Select 1 Peter 4:18
19Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’ Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.Select 1 Peter 4:19
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation