Skip to content
Church.wiki
Philippians

Philippians 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary amin’ izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ ny Tompo ianareo, ry malalako.Select Philippians 4:1

2Mananatra an’ i Eodia aho, ary mananatra an’ i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ ny Tompo izy.Select Philippians 4:2

3Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ ny filazantsara izy, mbamin’ i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana.Select Philippians 4:3

4Mifalia mandrakariva amin’ ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.Select Philippians 4:4

5Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.Select Philippians 4:5

6Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra.Select Philippians 4:6

7Ary ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’ i Kristy Jesosy.Select Philippians 4:7

8Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.Select Philippians 4:8

9Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.Select Philippians 4:9

10Ary faly indrindra ao amin’ ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.Select Philippians 4:10

11Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.Select Philippians 4:11

12Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’ inona na amin’ inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.Select Philippians 4:12

13Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy.Select Philippians 4:13

14Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.Select Philippians 4:14

15Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ ny niandohan’ ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin’ ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany.Select Philippians 4:15

16Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.Select Philippians 4:16

17Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.Select Philippians 4:17

18Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’ i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’ Andriamanitra sady ankasitrahany.Select Philippians 4:18

19Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ ny voninahitra no amin’ i Kristy Jesosy.Select Philippians 4:19

20Ary ho an’ Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.Select Philippians 4:20

21Manaova veloma ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.Select Philippians 4:21

22Manao veloma anareo ny olona masìna rehetra, indrindra fa ny ankohonan’ i Kaisara.Select Philippians 4:22

23Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo.Select Philippians 4:23

Next: Colossians 1Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Philippians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.