Acts 1
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’ izay nataon’ i Jesosy sy nampianariny,Select Acts 1:1
2hatramin’ ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ ny Fanahy Masìna ny Apostoly izay nofidiny,Select Acts 1:2
3sady niseho koa tamin’ ny famantarana maro taorian’ ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Acts 1:3
4Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’ i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;Select Acts 1:4
5fa Jaona nanao batisa tamin’ ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna, rehefa afaka andro vitsivitsy.Select Acts 1:5
6Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’ izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ ny Isiraely?Select Acts 1:6
7Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ ny Ray amin’ ny fahefany ihany.Select Acts 1:7
8Fa hahazo hery ianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masìna aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny faran’ ny tany.Select Acts 1:8
9Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ ny masony intsony Izy.Select Acts 1:9
10Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ ny nandehanan’ i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,Select Acts 1:10
11izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.Select Acts 1:11
12Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin’ ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin’ i Jerosalema (araka izay mety haleha amin’ ny Sabata).Select Acts 1:12
13Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ― dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’ i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak’ i Jakoba.Select Acts 1:13
14Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny.Select Acts 1:14
15Ary tamin’ izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan’ ny olona vory teo) ka nanao hoe:Select Acts 1:15
16Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ ny Soratra Masìna nampilazain’ ny Fanahy Masìna rahateo an’ i Davida ny amin’ i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an’ i Jesosy;Select Acts 1:16
17fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’ izao fanompoana izao koa.Select Acts 1:17
18Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ ny tambin’ ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.Select Acts 1:18
19Ary fantatr’ izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran’ izany saha izany amin’ ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.Select Acts 1:19
20Fa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao; ary koa: Aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara-raharahany.Select Acts 1:20
21Koa amin’ ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,Select Acts 1:21
22hatramin’ ny batisan’ i Jaona ka hatramin’ ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ ny nitsanganany.Select Acts 1:22
23Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.Select Acts 1:23
24Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon’ ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’ izy roa lahy ireto,Select Acts 1:24
25mba hahazoany anjara amin’ izao fanompoana sy ny mah’ Apostoly izao, izay nialan’ i Jodasy hankanesany any amin’ ny fitoerany.Select Acts 1:25
26Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin’ i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan’ ny Apostoly iraika ambin’ ny folo lahy.Select Acts 1:26
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation