Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin’ Andriamanitra.Select Acts 11:1

2Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan’ ny voaforaSelect Acts 11:2

3ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin’ ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.Select Acts 11:3

4Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ ny niandohany ka nanao hoe:Select Acts 11:4

5Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;Select Acts 11:5

6ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.Select Acts 11:6

7Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.Select Acts 11:7

8Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin’ ny vavako izay zava-padina na tsy madio.Select Acts 11:8

9Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra aza ataonao ho fady.Select Acts 11:9

10Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.Select Acts 11:10

11Ary tamin’ izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.Select Acts 11:11

12Dia nasain’ ny Fanahy hiaraka tamin’ ireo aho ka tsy hizaha tavan’ olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.Select Acts 11:12

13Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;Select Acts 11:13

14izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.Select Acts 11:14

15Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna tahaka ny tamintsika fahiny.Select Acts 11:15

16Dia nahatsiaro ny tenin’ ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin’ ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.Select Acts 11:16

17Koa raha mba homen’ Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’ i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an’ Andriamanitra?Select Acts 11:17

18Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’ Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.Select Acts 11:18

19Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.Select Acts 11:19

20Ary ny sasany tamin’ ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ ny jentilisa koa ka nitory an’ i Jesosy Tompo.Select Acts 11:20

21Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.Select Acts 11:21

22Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.Select Acts 11:22

23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.Select Acts 11:23

24Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masìna sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ ny Tompo.Select Acts 11:24

25Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’ i Saoly.Select Acts 11:25

26Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ ny fiangonana hatramin’ ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe.Select Acts 11:26

27Ary tamin’ izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.Select Acts 11:27

28Ary nitsangana ny anankiray tamin’ ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin’ ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran’ ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin’ ny andron’ i Klaodio.Select Acts 11:28

29Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.Select Acts 11:29

30Dia nataony izany, ary ny tànan’ i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ ny loholona.Select Acts 11:30

Next: Acts 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.