Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 14

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa.Select Acts 14:1

2Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.Select Acts 14:2

3Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin’ ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin’ ny fahasoavanySelect Acts 14:3

4Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.Select Acts 14:4

5Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ ny loholony,Select Acts 14:5

6ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin’ ny tany manodidina, izy,Select Acts 14:6

7dia nitory ny filazantsara tany.Select Acts 14:7

8Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;Select Acts 14:8

9izy nahare an’ i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,Select Acts 14:9

10dia niteny tamin’ ny feo mahery hoe: Mijoroa amin’ ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.Select Acts 14:10

11Ary nony hitan’ ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon’ i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin’ ny fitenin’ i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik’ olona!Select Acts 14:11

12Ary ny anaran’ i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.Select Acts 14:12

13Ary ny mpisoron’ ilay Jopitera teo anoloan’ ny tanàna, mbamin’ ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.Select Acts 14:13

14Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan’ ny olona sady niantso nanao hoe:Select Acts 14:14

15Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin’ izao zava-poana izao hanatona an’ Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny,Select Acts 14:15

16Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin’ ny lalana tiany haleha tamin’ ny andro lasa.Select Acts 14:16

17Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ ny hanina sy ny fifaliana.Select Acts 14:17

18Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.Select Acts 14:18

19Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’ i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.Select Acts 14:19

20Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.Select Acts 14:20

21Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’ izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,Select Acts 14:21

22nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Acts 14:22

23Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ ny Tompo Izay efa ninoany.Select Acts 14:23

24Ary rehefa nandeha namaky an’ i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.Select Acts 14:24

25Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.Select Acts 14:25

26Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho amin’ ny asa izay novitainy.Select Acts 14:26

27Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ ny jentilisa.Select Acts 14:27

28Dia nitoetra elaela ihany tamin’ ny mpianatra izy.Select Acts 14:28

Next: Acts 15Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.