Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 15

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’ i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.Select Acts 15:1

2Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran’ izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.Select Acts 15:2

3Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an’ i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan’ ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.Select Acts 15:3

4Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin’ ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy.Select Acts 15:4

5Fa ny mino sasany, izay isan’ ny antokon’ ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn’ i Mosesy.Select Acts 15:5

6Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.Select Acts 15:6

7Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin’ ny vavako no handrenesan’ ny jentilisa ny tenin’ ny filazantsara ka hinoany.Select Acts 15:7

8Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin’ ny nanomezany azy ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa;Select Acts 15:8

9fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ ny finoana ny fony.Select Acts 15:9

10Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’ Andriamanitra amin’ ny fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra, izay tsy zakan’ ny razantsika na isika ho entina?Select Acts 15:10

11Fa mino isika fa ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.Select Acts 15:11

12Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’ i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa.Select Acts 15:12

13Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:Select Acts 15:13

14Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’ Andriamanitra ny jentilisa tamin’ ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.Select Acts 15:14

15Ary mifanaraka amin’ izany ny tenin’ ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:Select Acts 15:15

16Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain’ i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;Select Acts 15:16

17Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,Select Acts 15:17

18Izay manao izany zavatra fantatra hatramin’ ny voalohany indrindra izany.Select Acts 15:18

19Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ ny jentilisa izay miverina ho amin’ Andriamanitra;Select Acts 15:19

20fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.Select Acts 15:20

21Fa hatramin’ ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin’ ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.Select Acts 15:21

22Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin’ ny namany mba hirahina hiaraka amin’ i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin’ ny rahalahy;Select Acts 15:22

23ary nanoratra taratasy izy ho entin’ ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin’ ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.Select Acts 15:23

24Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,Select Acts 15:24

25dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin’ i Barnabasy sy Paoly malalanay,Select Acts 15:25

26lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika.Select Acts 15:26

27Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.Select Acts 15:27

28Fa sitraky ny Fanahy Masìna sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:Select Acts 15:28

29dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.Select Acts 15:29

30Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.Select Acts 15:30

31Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.Select Acts 15:31

32Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin’ ny teny maro izy ka nampahery azy.Select Acts 15:32

33Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin’ ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin’ izay naniraka azy.Select Acts 15:33

34​Select Acts 15:34

35Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin’ ny Tompo izy roa lahy mbamin’ ny maro koa.Select Acts 15:35

36Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin’ i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.Select Acts 15:36

37Ary tian’ i Barnabasy ny hitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.Select Acts 15:37

38Nefa nataon’ i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin’ ny raharaha.Select Acts 15:38

39Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an’ i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.Select Acts 15:39

40Fa Paoly kosa nifidy an’ i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin’ ny fahasoavan’ ny Tompo izy.Select Acts 15:40

41Dia nandeha namaky an’ i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.Select Acts 15:41

Next: Acts 16Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.