Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 22

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.Select Acts 22:1

2Ary nony ren’ ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:Select Acts 22:2

3Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ ny tongotr’ i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an’ Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.Select Acts 22:3

4Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin’ ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina;Select Acts 22:4

5ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin’ ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.Select Acts 22:5

6Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an’ i Damaskosy, tamin’ ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;Select Acts 22:6

7dia lavo tamin’ ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?Select Acts 22:7

8Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.Select Acts 22:8

9Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon’ izay niteny tamiko izy.Select Acts 22:9

10Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.Select Acts 22:10

11Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan’ izany mazava izany, dia notantanan’ ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.Select Acts 22:11

12Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin’ ny Jiosy rehetra izay nonina teo,Select Acts 22:12

13dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin’ izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.Select Acts 22:13

14Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;Select Acts 22:14

15fa ho vavolombelony amin’ ny olona rehetra ianao ny amin’ izay efa hitanao sy renao.Select Acts 22:15

16Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ ny fahotanao.Select Acts 22:16

17Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan’ ny tempoly, dia azon-tsindrimandrySelect Acts 22:17

18ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an’ i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.Select Acts 22:18

19Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin’ ny synagoga rehetra;Select Acts 22:19

20ary raha nalatsaka ny ran’ i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian’ izay namono azy.Select Acts 22:20

21Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ ny jentilisa.Select Acts 22:21

22Ary ny olona nihaino azy hatramin’ izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin’ ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!Select Acts 22:22

23Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin’ ny rivotra izy,Select Acts 22:23

24dia nasain’ ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin’ ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran’ ny olona azy toy izany.Select Acts 22:24

25Ary raha namatotra azy tamin’ ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?Select Acts 22:25

26Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin’ ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.Select Acts 22:26

27Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.Select Acts 22:27

28Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.Select Acts 22:28

29Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.Select Acts 22:29

30Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan’ ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan’ ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.Select Acts 22:30

Next: Acts 23Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.