Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 23

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an’ Andriamanitra tamin’ ny fieritreretana tsara mandraka androany.Select Acts 23:1

2Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.Select Acts 23:2

3Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?Select Acts 23:3

4Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben’ Andriamanitra?Select Acts 23:4

5Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao.Select Acts 23:5

6Ary rehefa fantatr’ i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ ny fanantenana sy ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy.Select Acts 23:6

7Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.Select Acts 23:7

8Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan’ ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.Select Acts 23:8

9Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan’ ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok’ io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.Select Acts 23:9

10Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan’ ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.Select Acts 23:10

11Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.Select Acts 23:11

12Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an’ i Paoly.Select Acts 23:12

13Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.Select Acts 23:13

14Ary izy nankany amin’ ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an’ i Paoly.Select Acts 23:14

15Koa ankehitriny dia milazà amin’ ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin’ izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.Select Acts 23:15

16Ary nony ren’ ny zanak’ anabavin’ i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anati-rova izy ka nilaza tamin’ i Paoly.Select Acts 23:16

17Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin’ ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.Select Acts 23:17

18Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin’ ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.Select Acts 23:18

19Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin’ ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?Select Acts 23:19

20Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an’ i Paoly ho any amin’ ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.Select Acts 23:20

21Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an’ i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.Select Acts 23:21

22Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin’ olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.Select Acts 23:22

23Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin’ ny ora fahatelo;Select Acts 23:23

24ary itondray biby koa hitaingenan’ i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin’ i Feliksa mpanapaka.Select Acts 23:24

25Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:Select Acts 23:25

26Klaodio Lysia miarahaba an’ i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.Select Acts 23:26

27Ity lehilahy ity dia nosamborin’ ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.Select Acts 23:27

28Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin’ ny Synedriona izy;Select Acts 23:28

29dia hitako fa ady hevitra ny amin’ ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.Select Acts 23:29

30Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.Select Acts 23:30

31Dia nalain’ ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin’ iny alina iny ho any Antipatria.Select Acts 23:31

32Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.Select Acts 23:32

33Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin’ ny mpanapaka sady nanolotra an’ i Paoly ho eo anatrehany koa.Select Acts 23:33

34Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,Select Acts 23:34

35dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan’ i Heroda izy.Select Acts 23:35

Next: Acts 24Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.