Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 24

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin’ ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin’ ny mpanapaka ny niampangany an’ i Paoly.Select Acts 24:1

2Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:Select Acts 24:2

3Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin’ ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.Select Acts 24:3

4Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin’ ny faharetana izahay.Select Acts 24:4

5Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan’ ilay antoko atao hoe Nazarena.Select Acts 24:5

6Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy;Select Acts 24:6

7​Select Acts 24:7

8ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.Select Acts 24:8

9Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.Select Acts 24:9

10Ary rehefa notondroin’ ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;Select Acts 24:10

11fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin’ ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.Select Acts 24:11

12Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’ olona teo an-kianjan’ ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ ny synagoga, na tao an-tanàna;Select Acts 24:12

13ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.Select Acts 24:13

14Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’ Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ ny lalàna sy ny mpaminany,Select Acts 24:14

15ary manantena amin’ Andriamanitra aho, izay antenain’ izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka.Select Acts 24:15

16Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva.Select Acts 24:16

17Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko.Select Acts 24:17

18Ary tamin’ izay dia hitany voadio teo an-kianjan’ ny tempoly aho, tsy tamin’ ny olona maro anefa, na tamin’ ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,Select Acts 24:18

19― tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.Select Acts 24:19

20Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan’ ny Synedriona aho,Select Acts 24:20

21afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.Select Acts 24:21

22Ary satria fantatr’ i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin’ izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.Select Acts 24:22

23Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’ i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.Select Acts 24:23

24Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an’ i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’ i Kristy Jesosy.Select Acts 24:24

25Ary raha nitory ny amin’ ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.Select Acts 24:25

26Sady nanantena koa izy fa homen’ i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.Select Acts 24:26

27Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an’ i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin’ ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.Select Acts 24:27

Next: Acts 25Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.