Acts 26
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hoy Agripa tamin’ i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:Select Acts 26:1
2Ny amin’ ny zavatra rehetra iampangan’ ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,Select Acts 26:2
3indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin’ ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.Select Acts 26:3
4Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin’ ny fireneko tany Jerosalema hatramin’ ny voalohany;Select Acts 26:4
5eny, fantany hatramin’ ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ ny fivavahantsika.Select Acts 26:5
6Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,Select Acts 26:6
7dia ilay fanantenana andrasan’ ny firenentsika roa ambin’ ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra andro aman’ alina. Izany fanantenana izany no iampangan’ ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.Select Acts 26:7
8Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?Select Acts 26:8
9Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran’ i Jesosy avy any Nazareta,Select Acts 26:9
10sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masìna no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.Select Acts 26:10
11Ary nampijaly azy matetika teo amin’ ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin’ ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin’ ny tanàna any ivelany koa aza.Select Acts 26:11
12Ary tamin’ izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin’ ny lohan’ ny mpisorona,Select Acts 26:12
13koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin’ izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.Select Acts 26:13
14Ary rehefa lavo tamin’ ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin’ ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.Select Acts 26:14
15Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.Select Acts 26:15
16Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’ izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,Select Acts 26:16
17hamonjy anao amin’ ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,Select Acts 26:17
18hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.Select Acts 26:18
19Ary amin’ izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;Select Acts 26:19
20fa nambarako voalohany tamin’ izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin’ ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin’ Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.Select Acts 26:20
21Ary izany no nisamboran’ ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.Select Acts 26:21
22Ary noho ny fitahian’ Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,Select Acts 26:22
23fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ ny maty ka hitory fahazavana amin’ ny olona Isiraely sy amin’ ny jentilisa.Select Acts 26:23
24Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin’ ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.Select Acts 26:24
25Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin’ ny fahamarinana sy ny fahononana.Select Acts 26:25
26Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin’ ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin’ ny takona izany.Select Acts 26:26
27Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.Select Acts 26:27
28Fa hoy Agripa tamin’ i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.Select Acts 26:28
29Ary hoy Paoly: Mangataka amin’ Andriamanitra aho, fa na amin’ ny mora, na amin’ ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ ireto gadra ireto ihany.Select Acts 26:29
30Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin’ izay niara-nipetraka teo aminy;Select Acts 26:30
31ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.Select Acts 26:31
32Ary hoy Agripa tamin’ i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’ i Kaisara izy.Select Acts 26:32
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation