Skip to content
Church.wiki

Acts Chapter 3 Baiboly Malagasy (1865)

History · Acts · Baiboly Malagasy (1865) · 26 verses

Verse layout
📝 Overview of this chapter Flow, key verses and people

베드로와 요한이 성전 미문에서 나면서부터 걷지 못하는 사람을 예수의 이름으로 일으키고, 베드로가 솔로몬의 행각에 모인 백성에게 회개를 촉구하는 설교를 하는 장이다.

Jump to verse

3Acts · Baiboly Malagasy (1865)
1Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan’ ny tempoly tamin’ ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
2Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan’ andro teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’ izay niditra teo an-kianjan’ ny tempoly;
3nony nahita an’ i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan’ ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
4Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
5Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
6Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
7Ary noraisiny tamin’ ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin’ izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an’ Andriamanitra.
9Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an’ Andriamanitra.
10Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ ny vavahady Itsaraendrika eo amin’ ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
11Ary raha nihazona an’ i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin’ izy telo lahy teo amin’ ny fialofana izay atao hoe Fialofan’ i Solomona, ka talanjona.
12Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’ izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
13Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’ i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’ i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
14Fa ianareo nandà Ilay Masìna sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15fa ny Tompon’ ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty, ary vavolombelon’ izany izahay.
16Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
17Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. Notes
18Fa izany no nahatanterahan’ Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan’ ny Kristiny.
19Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo, Notes
20ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
21Ilay tsy maintsy horaisin’ ny lanitra mandra-pihavin’ ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny voalohany indrindra.
22Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’ izay rehetra holazainy aminareo.
23Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ ny olona.
24Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’ i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
25Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razanareo, raha hoy Izy tamin’ i Abrahama: Ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
26Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ ny fialanareo rehetra amin’ ny faharatsianareo isam-batan’ olona.

Baiboly Malagasy (1865)
Tap a verse to copy, share, highlight or add a note. Dotted words link to encyclopedia articles.

26 verses in this chapter
3 / 28 chapters

The text is Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — From getbible.net (CrossWire SWORD module) · license: 공개 도메인 (Public Domain) Highlights, notes and read marks stay with the chapter whichever version you read. Dotted words are people, places and terms that have an encyclopedia article (marked once per page). Highlights, notes and read marks are saved only in this browser and gathered under My marks.

Verse commentaries for this chapter 2

Articles mentioning this chapter

More