Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 4

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;Select Acts 4:1

2fa sosotra izy noho ny nampianaran’ ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin’ ny alalan’ i Jesosy ny fitsanganana amin’ ny maty.Select Acts 4:2

3Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain’ ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’ izay.Select Acts 4:3

4Kanefa maro tamin’ izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan’ ny lehilahy.Select Acts 4:4

5Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalànaSelect Acts 4:5

6sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin’ izay rehetra mety ho havan’ ny mpisoronabe.Select Acts 4:6

7Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?Select Acts 4:7

8Ary Petera, feno ny Fanahy Masìna, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,Select Acts 4:8

9raha adinina izahay anin’ ny amin’ ny asa tsara natao tamin’ ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,Select Acts 4:9

10dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo.Select Acts 4:10

11Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro.Select Acts 4:11

12Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.Select Acts 4:12

13Ary nony nahita ny fahasahisahian’ i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roa lahy.Select Acts 4:13

14Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.Select Acts 4:14

15Ary rehefa nasainy niala teo amin’ ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izySelect Acts 4:15

16ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.Select Acts 4:16

17Fa mba tsy hielezan’ izany intsony amin’ ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin’ izany anarana izany intsony na amin’ iza na amin’ iza.Select Acts 4:17

18Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony.Select Acts 4:18

19Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’ Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.Select Acts 4:19

20Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.Select Acts 4:20

21Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an’ Andriamanitra noho ny amin’ ny zavatra efa natao.Select Acts 4:21

22Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.Select Acts 4:22

23Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin’ ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona taminy.Select Acts 4:23

24Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin’ Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny,Select Acts 4:24

25ary ny Fanahy Masìna no nampitenenanao an’ i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?Select Acts 4:25

26Ireo mpanjakan’ ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany.Select Acts 4:26

27Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masìna, dia Jesosy Izay nohosoranao,Select Acts 4:27

28mba hanao izay notendren’ ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.Select Acts 4:28

29Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ ny fahasahiana rehetra,Select Acts 4:29

30omban’ ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ ny anaran’ i Jesosy, Mpanomponao Masìna.Select Acts 4:30

31Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masìna izy rehetra ka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana.Select Acts 4:31

32Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.Select Acts 4:32

33Ary tamin’ ny hery be no nanambaran’ ny Apostoly ny nitsanganan’ i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’ izy rehetra.Select Acts 4:33

34Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin’ ny zavatra lafo,Select Acts 4:34

35ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avySelect Acts 4:35

36Ary Josefa, izay nataon’ ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,Select Acts 4:36

37dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly.Select Acts 4:37

Next: Acts 5Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.