Acts 6
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny fiantrana isan’ andro ny mpitondratenany.Select Acts 6:1
2Ary ny roa ambin’ ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’ Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.Select Acts 6:2
3Koa amin’ izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.Select Acts 6:3
4Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.Select Acts 6:4
5Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’ i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masìna, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),Select Acts 6:5
6ireo dia narosony teo anatrehan’ ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.Select Acts 6:6
7Dia nandroso ny tenin’ Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.Select Acts 6:7
8Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ ny vahoaka.Select Acts 6:8
9Fa ny sasany, izay avy amin’ ny synagoga atao hoe Synagogan’ ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin’ izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin’ i Stefana.Select Acts 6:9
10Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;Select Acts 6:10
11dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.Select Acts 6:11
12Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’ i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ ny Synedriona;Select Acts 6:12
13ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;Select Acts 6:13
14Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr’ i Mosesy antsika.Select Acts 6:14
15Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ anjely.Select Acts 6:15
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation