Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 9

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izySelect Acts 9:1

2ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.Select Acts 9:2

3Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin’ i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;Select Acts 9:3

4dia lavo tamin’ ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?Select Acts 9:4

5Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;Select Acts 9:5

6fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.Select Acts 9:6

7Ary ny olona izay nomba azy tamin’ ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.Select Acts 9:7

8Ary Saoly nitsangana tamin’ ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.Select Acts 9:8

9Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.Select Acts 9:9

10Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin’ ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.Select Acts 9:10

11Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin’ ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon’ i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;Select Acts 9:11

12ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.Select Acts 9:12

13Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin’ ny maro ny haben’ ny ratsy nataon’ izany lehilahy izany tamin’ ny olonao masìna tany Jerosalema.Select Acts 9:13

14Ary manana fahefanay koa avy tamin’ ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.Select Acts 9:14

15Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ isiraely;Select Acts 9:15

16fa hasehoko azy ny habetsahan’ izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.Select Acts 9:16

17Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masìna ianao.Select Acts 9:17

18Ary niaraka tamin’ izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ ny hazandrano niala avy tamin’ ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;Select Acts 9:18

19ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin’ ny mpianatra tany Damaskosy.Select Acts 9:19

20Ary niaraka tamin’ izay dia nitory teo amin’ ny synagoga izy ka nilaza an’ i Jesosy fa Zanak’ Andriamanitra.Select Acts 9:20

21Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ ny mpisoronabe.Select Acts 9:21

22Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.Select Acts 9:22

23Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;Select Acts 9:23

24nefa fantatr’ i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman’ alina hamonoany azy.Select Acts 9:24

25Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin’ ny sobiky avy eo amin’ ny mànda.Select Acts 9:25

26Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin’ ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.Select Acts 9:26

27Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’ i Jesosy tany Damaskosy.Select Acts 9:27

28Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin’ ireo tany Jerosalema,Select Acts 9:28

29sady nitory tamin’ ny anaran’ ny Tompo tamin’ ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin’ ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.Select Acts 9:29

30Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.Select Acts 9:30

31Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’ i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ ny Fanahy ka nihamaro.Select Acts 9:31

32Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin’ ny olona masìna nonina tany Lyda koa.Select Acts 9:32

33Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin’ ny paralysisa.Select Acts 9:33

34Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin’ izay izy.Select Acts 9:34

35Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin’ ny Tompo.Select Acts 9:35

36Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’ izany vehivavy izany.Select Acts 9:36

37Ary narary izy tamin’ izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.Select Acts 9:37

38Ary satria Lyda akaikin’ i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.Select Acts 9:38

39Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’ i Dorkasy fony fahavelony.Select Acts 9:39

40Ary navoak’ i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an’ i Petera izy, dia niarina.Select Acts 9:40

41Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masìna sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.Select Acts 9:41

42Ary dia fantatra eran’ i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.Select Acts 9:42

43Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin’ i Simona mpandon-koditra.Select Acts 9:43

Next: Acts 10Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.