Skip to content
Church.wiki
1 Samuel

1 Samuel 1

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Elkana no anarany zanak’ i Jerohama, zanak’ i Eliho, zanak’ i Toho, zanak’ i Zofa.Select 1 Samuel 1:1

2Ary namporafy izy, Hana no anaran’ ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran’ ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.Select 1 Samuel 1:2

3Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin’ ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron’ i Jehovah.Select 1 Samuel 1:3

4Ary tamin’ ny andro namonoan’ i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.Select 1 Samuel 1:4

5Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon’ i Jehovah momba.Select 1 Samuel 1:5

6Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan’ i Jehovah azy momba.Select 1 Samuel 1:6

7Ary izany no fanaon’ i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’ i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.Select 1 Samuel 1:7

8Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?Select 1 Samuel 1:8

9Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin’ ny sezany teo anilan’ ny tolam-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah.Select 1 Samuel 1:9

10Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’ i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.Select 1 Samuel 1:10

11Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’ i Jehovah kosa izy amin’ ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.Select 1 Samuel 1:11

12Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia nodinihin’ i Ely ny vavany.Select 1 Samuel 1:12

13Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon’ i Ely fa mamo izy.Select 1 Samuel 1:13

14Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.Select 1 Samuel 1:14

15Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’ i Jehovah aho.Select 1 Samuel 1:15

16Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben’ ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.Select 1 Samuel 1:16

17Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen’ Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.Select 1 Samuel 1:17

18Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.Select 1 Samuel 1:18

19Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an’ i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.Select 1 Samuel 1:19

20Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.Select 1 Samuel 1:20

21Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an’ i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.Select 1 Samuel 1:21

22Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin’ ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin’ izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.Select 1 Samuel 1:22

23Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain’ i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.Select 1 Samuel 1:23

24Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin’ ny vantotr’ ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon’ i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.Select 1 Samuel 1:24

25Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin’ i Ely ny zaza.Select 1 Samuel 1:25

26Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’ i Jehovah.Select 1 Samuel 1:26

27Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’ i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.Select 1 Samuel 1:27

28Koa atolotro ho an’ i Jehovah kosa izy: eny, amin’ ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’ i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy.Select 1 Samuel 1:28

Next: 1 Samuel 2Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Samuel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.