1 Samuel 10
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’ i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?Select 1 Samuel 10:1
2Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan’ ny fasan-dRahely, ao amin’ ny fari-tanin’ ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ ny zanako?Select 1 Samuel 10:2
3Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin’ ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ ny olona telo lahy miakatra ho any amin’ Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak’ osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara;Select 1 Samuel 10:3
4ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin’ ny tànany izany.Select 1 Samuel 10:4
5Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midìna avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.Select 1 Samuel 10:5
6Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’ i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.Select 1 Samuel 10:6
7Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.Select 1 Samuel 10:7
8Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.Select 1 Samuel 10:8
9Ary raha vao nihodina niala tamin’ i Samoela izy, dia nomen’ Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.Select 1 Samuel 10:9
10Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.Select 1 Samuel 10:10
11Ary nony hitan’ izay rehetra nahalala azy hatramin’ ny taloha fa, indro, maminany eo amin’ ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin’ ny zanak’ i Kisy izao? Saoly koa va mba isan’ ny mpaminany?Select 1 Samuel 10:11
12Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain’ ireny? Ary izany no nisehoan’ ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan’ ny mpaminany?Select 1 Samuel 10:12
13Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin’ ny fitoerana avo.Select 1 Samuel 10:13
14Ary hoy ny rahalahin-drain’ i Saoly taminy sy tamin’ ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin’ i Samoela izahay.Select 1 Samuel 10:14
15Ary hoy ny rahalahin-drain’ i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain’ i Samoela taminao.Select 1 Samuel 10:15
16Dia hoy Saoly tamin’ ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’ i Samoela ny amin’ ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.Select 1 Samuel 10:16
17Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin’ i JehovahSelect 1 Samuel 10:17
18ka nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy tamin’ ny tanan’ ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.Select 1 Samuel 10:18
19Nefa ianareo kosa efa nandà an’ Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin’ ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan’ i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.Select 1 Samuel 10:19
20Dia nampanatona ny firenen’ Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen’ i Benjamina no voafidy.Select 1 Samuel 10:20
21Dia nampanatona ny firenen’ i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon’ ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak’ i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.Select 1 Samuel 10:21
22Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin’ ny entana izy.Select 1 Samuel 10:22
23Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan’ ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ ny sorony no ho miakatra ny halavany.Select 1 Samuel 10:23
24Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin’ i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin’ ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.Select 1 Samuel 10:24
25Ary Samoela nilaza tamin’ ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin’ ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’ i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin’ i Samoela ho any an-tranony avy.Select 1 Samuel 10:25
26Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin’ ny tànan’ Andriamanitra ny fony.Select 1 Samuel 10:26
27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.Select 1 Samuel 10:27
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain