1 Samuel 18
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary rehefa nitsahatra niteny tamin’ i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin’ i Davida ny fanahin’ i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.Select 1 Samuel 18:1
2Ary Saoly nandray azy tamin’ izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin’ ny tranon-drainy intsony.Select 1 Samuel 18:2
3Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’ i Jonatana azy toy ny tenany.Select 1 Samuel 18:3
4Ary nesorin’ i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an’ i Davida mbamin’ ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.Select 1 Samuel 18:4
5Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin’ izay rehetra nanirahan’ i Saoly azy; ka dia nataon’ i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon’ i Saoly koa.Select 1 Samuel 18:5
6Ary nony tonga ny olona tamin’ ny niverenan’ i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin’ ny tanànan’ ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an’ i Saoly mpanjaka tamin’ ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.Select 1 Samuel 18:6
7Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.Select 1 Samuel 18:7
8Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an’ i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.Select 1 Samuel 18:8
9Ary Saoly hatramin’ izany andro izany dia nangarika an’ i Davida.Select 1 Samuel 18:9
10Ary nony ampitson’ iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’ Andriamanitra nilatsaka tamin’ i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany tahaka ny fanaony isan’ andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan’ i Saoly.Select 1 Samuel 18:10
11Dia natorak’ i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’ i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin’ ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.Select 1 Samuel 18:11
12Ary Saoly natahotra an’ i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.Select 1 Samuel 18:12
13Koa dia nesorin’ i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.Select 1 Samuel 18:13
14Ary Davida dia hita fa hendry tamin’ izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.Select 1 Samuel 18:14
15Ary nony hitan’ i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.Select 1 Samuel 18:15
16Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an’ i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.Select 1 Samuel 18:16
17Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin’ i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan’ ny Filistina no hamely azy.)Select 1 Samuel 18:17
18Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin’ ny raiko ao amin’ ny Isiraely, no ho vinanton’ ny mpanjaka aho?Select 1 Samuel 18:18
19Kanjo nony tamin’ ny andro tokony ho namoahana an’ i Meraba, zanakavavin’ i Saoly, ho vadin’ i Davida, dia nomena ho vadin’ i Adriela Meholatita izy.Select 1 Samuel 18:19
20Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly kosa tia an’ i Davida; ary nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, ka sitrak’ i Saoly izany.Select 1 Samuel 18:20
21(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ ny tanan’ ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin’ i Davida: Fanindroan’ ny maha-vinantoko anao izao.Select 1 Samuel 18:21
22Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin’ i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian’ ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton’ ny mpanjaka ianao.Select 1 Samuel 18:22
23Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza izany teny izany tamin’ i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton’ ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?Select 1 Samuel 18:23
24Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin’ i Davida.Select 1 Samuel 18:24
25Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin’ i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’ i Saoly hahafaty an’ i Davida amin’ ny tanan’ ny Filistina izany.Select 1 Samuel 18:25
26Ary rehefa nambaran’ ny mpanompon’ i Saoly tamin’ i Davida izany teny izany, dia sitrak’ i Davida ny ho vinanton’ ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr’ andro,Select 1 Samuel 18:26
27dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan’ ny mpanjaka mba hahavinanton’ ny mpanjaka azy. Dia nomen’ i Saoly ho vadin’ i Davida Mikala zananivavy.Select 1 Samuel 18:27
28Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an’ i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.Select 1 Samuel 18:28
29Ary dia vao mainka natahotra an’ i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon’ i Davida mandrakariva izy.Select 1 Samuel 18:29
30Ary ireo andrianan’ ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon’ i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.Select 1 Samuel 18:30
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain