1 Samuel 23
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an’ i Keila ka mamabo ny ao amin’ ny famoloana.Select 1 Samuel 23:1
2Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin’ i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.Select 1 Samuel 23:2
3Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin’ ny miaramilan’ ny Filistina?Select 1 Samuel 23:3
4Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.Select 1 Samuel 23:4
5Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin’ ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin’ i Davida ny mponina tao Keila.Select 1 Samuel 23:5
6Ary raha nandositra nankany amin’ i Davida tany Keila Abiatara, zanak’ i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.Select 1 Samuel 23:6
7Ary nambara tamin’ i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin’ ny tanàna misy vavahady mihidy.Select 1 Samuel 23:7
8Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an’ i Davida sy ny olony.Select 1 Samuel 23:8
9Ary fantatr’ i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin’ i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.Select 1 Samuel 23:9
10Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren’ ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.Select 1 Samuel 23:10
11Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren’ ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.Select 1 Samuel 23:11
12Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan’ i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.Select 1 Samuel 23:12
13Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’ izay azony naleha. Ary nolazaina tamin’ i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.Select 1 Samuel 23:13
14Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin’ ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin’ ny tany havoana tany an-efitr’ i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan’ andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.Select 1 Samuel 23:14
15Ary hitan’ i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr’ i Zifa tany anaty ala.Select 1 Samuel 23:15
16Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, niainga, dia nankany amin’ i Davida tany an’ ala ka nampahery ny tànany tamin’ Andriamanitra.Select 1 Samuel 23:16
17Ary hoy izy tamin’ i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’ i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’ i Saoly raiko koa izany.Select 1 Samuel 23:17
18Ary nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an’ ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.Select 1 Samuel 23:18
19Ary niakatra nankany amin’ i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin’ ny batery fiarovana any an’ ala, any amin’ ny havoana Hakila, izay atsimon’ ny efitra, va Davida?Select 1 Samuel 23:19
20Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian’ ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjaka izy.Select 1 Samuel 23:20
21Ary hoy Saoly: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.Select 1 Samuel 23:21
22Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.Select 1 Samuel 23:22
23Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin’ ny tany izy, dia hotadiaviko eran’ ny arivon’ i Joda rehetra.Select 1 Samuel 23:23
24Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an’ i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin’ ny efitr’ i Maona, tamin’ ny tani-hay atsimon’ ny efitra.Select 1 Samuel 23:24
25Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin’ i Davida izany, ka dia nidina tany amin’ ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr’ i Maona. Ary nony ren’ i Saoly izany, dia nanenjika an’ i Davida tany an-efitr’ i Maona izy.Select 1 Samuel 23:25
26Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.Select 1 Samuel 23:26
27Dia nisy iraka tonga tao amin’ i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.Select 1 Samuel 23:27
28Dia niverina Saoly tamin’ ny nanenjehany an’ i Davida ary nandeha niady tamin’ ny Filistina; ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.Select 1 Samuel 23:28
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain