Skip to content
Church.wiki
1 Samuel

1 Samuel 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’ i Jehovah teo anatrehan’ i Ely. Ary tamin’ izany andro izany efa nahàlana ny tenin’ i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.Select 1 Samuel 3:1

2Ary tamin’ izany andro izany, raha nandry tao amin’ ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),Select 1 Samuel 3:2

3sady tsy mbola maty ny jiron’ Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, izay nisy ny fiaran’ Andriamanitra,Select 1 Samuel 3:3

4dia niantso an’ i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.Select 1 Samuel 3:4

5Dia nihazakazaka nankeo amin’ i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.Select 1 Samuel 3:5

6Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.Select 1 Samuel 3:6

7Ary Samoela tsy mbola nahalala an’ i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin’ i Jehovah izy.Select 1 Samuel 3:7

8Ary Jehovah niantso an’ i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr’ i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.Select 1 Samuel 3:8

9Ary hoy Ely tamin’ i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin’ ny fandriany.Select 1 Samuel 3:9

10Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.Select 1 Samuel 3:10

11Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.Select 1 Samuel 3:11

12Amin’ izany andro izany dia hotanterahiko amin’ i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.Select 1 Samuel 3:12

13Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ ny tenany, nefa tsy nosakanany.Select 1 Samuel 3:13

14Koa izany no nianianako ny amin’ ny taranak’ i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.Select 1 Samuel 3:14

15Ary nandry Samoela mandra-pahamarain’ ny andro, dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin’ i Ely.Select 1 Samuel 3:15

16Fa Ely niantso an’ i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.Select 1 Samuel 3:16

17Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’ i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon’ Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.Select 1 Samuel 3:17

18Dia nambaran’ i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.Select 1 Samuel 3:18

19Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.Select 1 Samuel 3:19

20Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin’ i Jehovah tokoa Samoela.Select 1 Samuel 3:20

21Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin’ i Samoela tao Silo Jehovah tamin’ ny teniny.Select 1 Samuel 3:21

Next: 1 Samuel 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Samuel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.