Skip to content
Church.wiki
2 Samuel

2 Samuel 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’ i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak’ i Amona ireo sady nanao fahirano an’ i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.Select 2 Samuel 11:1

2Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.Select 2 Samuel 11:2

3Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin’ i Eliama, sady vadin’ i Oria Hetita?Select 2 Samuel 11:3

4Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ ny halotoany, dia nody tany an-tranony.Select 2 Samuel 11:4

5Ary nanan’ anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin’ i Davida hoe: Manan’ anaka aho.Select 2 Samuel 11:5

6Ary Davida naniraka tany amin’ i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain’ i Joaba nankany amin’ i Davida Oria.Select 2 Samuel 11:6

7Ary nony tonga teo amin’ i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr’ i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.Select 2 Samuel 11:7

8Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin’ ny mpanjaka izy.Select 2 Samuel 11:8

9Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon’ ny mpanjaka, teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.Select 2 Samuel 11:9

10Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin’ i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midìna mody any an-tranonao?Select 2 Samuel 11:10

11Fa hoy Oria tamin’ i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin’ ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon’ ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.Select 2 Samuel 11:11

12Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson’ iny Oria.Select 2 Samuel 11:12

13Ary nasain’ i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin’ ilay nandriany teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.Select 2 Samuel 11:13

14Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin’ i Joaba, ka nampitondrainy an’ i Oria izany.Select 2 Samuel 11:14

15Ary izao no soratra nataony tao amin’ ny taratasy: Arosoinareo amin’ ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.Select 2 Samuel 11:15

16Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an’ i Oria ho eo amin’ izay hitany misy lehilahy mahery.Select 2 Samuel 11:16

17Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin’ i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon’ i Davida, ary maty koa Oria Hetita.Select 2 Samuel 11:17

18Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin’ i Davida ny toetry ny ady;Select 2 Samuel 11:18

19ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin’ ny mpanjaka ny toetry ny ady,Select 2 Samuel 11:19

20ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin’ ny manda izy?Select 2 Samuel 11:20

21Fa iza no namely an’ i Abimeleka, zanak’ i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.Select 2 Samuel 11:21

22Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin’ i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan’ i Joaba azy.Select 2 Samuel 11:22

23Ary hoy ny iraka tamin’ i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan’ ny vavahady kosa izy.Select 2 Samuel 11:23

24Ary ny mpitifitra teo amin’ ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon’ ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.Select 2 Samuel 11:24

25Dia hoy Davida tamin’ ny iraka: Izao no holazainao amin’ i Joaba: Aza malahelo amin’ izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin’ ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.Select 2 Samuel 11:25

26Ary nony ren’ ny vadin’ i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.Select 2 Samuel 11:26

27Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain’ i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany nataon’ i Davida izany.Select 2 Samuel 11:27

Next: 2 Samuel 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Samuel

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.