Skip to content
Church.wiki
2 Samuel

2 Samuel 15

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.Select 2 Samuel 15:1

2Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan’ ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin’ ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin’ i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin’ ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin’ ny firenen’ Isiraely ny mpanomponao.Select 2 Samuel 15:2

3Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin’ ny mpanjaka hihaino anao.Select 2 Samuel 15:3

4Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin’ ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!Select 2 Samuel 15:4

5Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.Select 2 Samuel 15:5

6Ary toy izany no nataon’ i Absaloma tamin’ ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin’ i Absaloma ho azy ny fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.Select 2 Samuel 15:6

7Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin’ i Jehovah.Select 2 Samuel 15:7

8Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin’ i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an’ i Jehovah.Select 2 Samuel 15:8

9Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.Select 2 Samuel 15:9

10Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon’ ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.Select 2 Samuel 15:10

11Ary nisy roan-jato lahy izay nasain’ i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin’ ny fahatsoran’ ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.Select 2 Samuel 15:11

12Ary Absaloma naniraka naka an’ i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an’ i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an’ i Absaloma.Select 2 Samuel 15:12

13Ary nisy olona tonga tao amin’ i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an’ i Absaloma fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.Select 2 Samuel 15:13

14Ary hoy Davida tamin’ ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’ i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna.Select 2 Samuel 15:14

15Ary hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.Select 2 Samuel 15:15

16Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin’ ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin’ ny vaditsindranony hiandry trano.Select 2 Samuel 15:16

17Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.Select 2 Samuel 15:17

18Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ ny mpanjaka.Select 2 Samuel 15:18

19Ary hoy ny mpanjaka tamin’ Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin’ ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin’ ny fonenanao.Select 2 Samuel 15:19

20Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin’ izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.Select 2 Samuel 15:20

21Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran’ ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran’ ny mpanomponao.Select 2 Samuel 15:21

22Ary hoy Davida tamin’ Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin’ ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.Select 2 Samuel 15:22

23Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin’ ny lalana mankany an-efitra.Select 2 Samuel 15:23

24Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran’ Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.Select 2 Samuel 15:24

25Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’ Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’ i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.Select 2 Samuel 15:25

26Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.Select 2 Samuel 15:26

27Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin’ ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak’ i Abiatara.Select 2 Samuel 15:27

28Indro, izaho hijanonjanona eny amin’ ny fitàna any amin’ ny efitra mandra-pahatongan’ izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.Select 2 Samuel 15:28

29Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran’ Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.Select 2 Samuel 15:29

30Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.Select 2 Samuel 15:30

31Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan’ ny mpiray tetika amin’ i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’ i Ahitofela.Select 2 Samuel 15:31

32Ary nony tonga teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, dia teo amin’ izay fivavahan’ ny olona tamin’ Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;Select 2 Samuel 15:32

33ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;Select 2 Samuel 15:33

34fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin’ i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon’ ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon’ i Ahitofela.Select 2 Samuel 15:34

35Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia ambarao amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona.Select 2 Samuel 15:35

36Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak’ i Zadoka, sy Jonatana, zanak’ i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.Select 2 Samuel 15:36

37Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan’ i Davida, tamin’ ny nahatongavan’ i Absaloma tany Jerosalema.Select 2 Samuel 15:37

Next: 2 Samuel 16Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Samuel

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.