2 Samuel 23
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary izao no fara-teny nataon’ i Davida: hoy Davida, zanak’ i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr’ i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin’ ny Isiraely:Select 2 Samuel 23:1
2Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako;Select 2 Samuel 23:2
3Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;Select 2 Samuel 23:3
4Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin’ ny tany noho ny hain’ andro manarakaraka ny ranonorana.Select 2 Samuel 23:4
5Ary tsy toy izany indrindra amin’ Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin’ ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?Select 2 Samuel 23:5
6Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin’ ny tanana izy;Select 2 Samuel 23:6
7Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin’ ny afo avokoa amin’ izay itoerany ireny.Select 2 Samuel 23:7
8Ary izao no anaran’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.Select 2 Samuel 23:8
9Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo, zanak’ i Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery teo amin’ i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely;Select 2 Samuel 23:9
10dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ ny tànany ka efa niraikitra tamin’ ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin’ izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan’ ny olona azy.Select 2 Samuel 23:10
11Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak’ i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin’ ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,Select 2 Samuel 23:11
12dia nijanona teo afovoan’ io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.Select 2 Samuel 23:12
13Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin’ i Davida tao amin’ ny zohin’ i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby teo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.Select 2 Samuel 23:13
14Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.Select 2 Samuel 23:14
15Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady!Select 2 Samuel 23:15
16Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tamin’ ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah iny.Select 2 Samuel 23:16
17Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.Select 2 Samuel 23:17
18Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, no lehibe amin’ izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.Select 2 Samuel 23:18
19Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.Select 2 Samuel 23:19
20Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny;Select 2 Samuel 23:20
21ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.Select 2 Samuel 23:21
22Izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.Select 2 Samuel 23:22
23Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.Select 2 Samuel 23:23
24Asahela, rahalahin’ i Joaba, no anankiray amin’ ny telo-polo, ary Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,Select 2 Samuel 23:24
25Sama Harodita, Elika Harodita,Select 2 Samuel 23:25
26Heleza Paltita, Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta,Select 2 Samuel 23:26
27Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita,Select 2 Samuel 23:27
28Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,Select 2 Samuel 23:28
29Haleba, zanak’ i Bana Netofatita, Itahy, zanak’ i Ribay, avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina,Select 2 Samuel 23:29
30Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy,Select 2 Samuel 23:30
31Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita,Select 2 Samuel 23:31
32Eliaba Salbonita, tamin’ ny zanak’ i Jasena, Jonatana,Select 2 Samuel 23:32
33Sama Hararita, Ahiama, zanak’ i Sarara Hararita,Select 2 Samuel 23:33
34Elifeleta, zanak’ i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak’ i Ahitofela Gilonita,Select 2 Samuel 23:34
35Hezray Karmelita, Paray Arbita,Select 2 Samuel 23:35
36Jigala, zanak’ i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,Select 2 Samuel 23:36
37Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,Select 2 Samuel 23:37
38Ira Jitrita, Gareba Jitrita,Select 2 Samuel 23:38
39Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan’ izy rehetra.Select 2 Samuel 23:39
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation