Skip to content
Church.wiki
2 Samuel

2 Samuel 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary naharitra ela ny adin’ ny tamingan’ i Saoly sy ny tamingan’ i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’ i Saoly kosa nihahosa.Select 2 Samuel 3:1

2Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;Select 2 Samuel 3:2

3ary Kileaba, tamin’ i Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora;Select 2 Samuel 3:3

4ary ny fahefatra dia Adonia, zanak’ i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak’ i Abitala;Select 2 Samuel 3:4

5ary ny fahenina dia Jitreama, tamin’ i Egla, vadin’ i Davida. Ireo no naterak’ i Davida tao Hebrona.Select 2 Samuel 3:5

6Ary raha mbola niady ny tamingan’ i Davida sy ny tamingan’ i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin’ ny tamingan’ i Saoly.Select 2 Samuel 3:6

7(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin’ i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin’ i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon’ ikaky?Select 2 Samuel 3:7

8Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’ Isboseta, ka hoy izy: Lohan’ alika no miandany amin’ ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’ i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’ i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’ iny vehivavy iny?Select 2 Samuel 3:8

9Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,Select 2 Samuel 3:9

10ka hampiala ny fanjakana amin’ ny tamingan’ i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan’ i Davida amin’ ny Isiraely sy amin’ ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.Select 2 Samuel 3:10

11Dia tsy nahavaly an’ i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.Select 2 Samuel 3:11

12Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’ i Davida niaraka tamin’ izay hanao hoe: An’ iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.Select 2 Samuel 3:12

13Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’ i Saoly.Select 2 Samuel 3:13

14Ary Davida naniraka olona nankany amin’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy.Select 2 Samuel 3:14

15Ary Isboseta naniraka naka an’ i Mikala tany amin’ i Paltiela vadiny, zanak’ i Laisy.Select 2 Samuel 3:15

16Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.Select 2 Samuel 3:16

17Ary Abnera efa niteny tamin’ ny loholon’ ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’ i Davida ho mpanjakanareo;Select 2 Samuel 3:17

18koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.Select 2 Samuel 3:18

19Ary Abnera efa niteny tamin’ ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin’ i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian’ ny Isiraely sy ny taranak’ i Benjamina rehetra hatao.Select 2 Samuel 3:19

20Dia tonga tany amin’ i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’ i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.Select 2 Samuel 3:20

21Ary hoy Abnera tamin’ i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’ izay rehetra irin’ ny fonao. Ary Davida nampandeha an’ i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.Select 2 Samuel 3:21

22Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an’ i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin’ i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.Select 2 Samuel 3:22

23Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin’ i Joaba hoe: Tonga tao amin’ ny mpanjaka Abnera, zanak’ i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.Select 2 Samuel 3:23

24Ary Joaba nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?Select 2 Samuel 3:24

25Fantatrao anefa ny amin’ i Abnera, zanak’ i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.Select 2 Samuel 3:25

26Dia nivoaka Joaba avy tao amin’ i Davida ka naniraka olona hanaraka an’ i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin’ ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr’ i Davida izany.Select 2 Samuel 3:26

27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.Select 2 Samuel 3:27

28Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’ i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ ny ran’ i Abnera, zanak’ i Nera.Select 2 Samuel 3:28

29Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.Select 2 Samuel 3:29

30Toy izany no namonoan’ i Joaba sy Abisay rahalahiny an’ i Abnera noho ny namonoany an’ i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin’ ny ady.Select 2 Samuel 3:30

31Ary hoy Davida tamin’ i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan’ i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.Select 2 Samuel 3:31

32Dia nandevina an’ i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin’ ny fasan’ i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.Select 2 Samuel 3:32

33Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an’ i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan’ ny adala va no tokony ho nahafatesan’ i Abnera?Select 2 Samuel 3:33

34Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok’ izay asian’ ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.Select 2 Samuel 3:34

35Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’ i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.Select 2 Samuel 3:35

36Ary azon’ ny vahoaka rehetra ny hevitr’ izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ ny mpanjaka.Select 2 Samuel 3:36

37Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin’ izany andro izany fa tsy avy tamin’ ny mpanjaka no nahafaty an’ i Abnera, zanak’ i Nera.Select 2 Samuel 3:37

38Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin’ ny Isiraely?Select 2 Samuel 3:38

39Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’ i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.Select 2 Samuel 3:39

Next: 2 Samuel 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Samuel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.