Skip to content
Church.wiki
2 Samuel

2 Samuel 9

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana?Select 2 Samuel 9:1

2Ary nisy mpanompon’ ny fianakavian’ i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin’ i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.Select 2 Samuel 9:2

3Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’ Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’ i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.Select 2 Samuel 9:3

4Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, ao Lo-debara.Select 2 Samuel 9:4

5Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, tao Lodebara.Select 2 Samuel 9:5

6Ary nony tonga teo amin’ i Davida Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.Select 2 Samuel 9:6

7Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva.Select 2 Samuel 9:7

8Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?Select 2 Samuel 9:8

9Dia niantso an’ i Ziba, mpanompon’ i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan’ i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ ny tomponao.Select 2 Samuel 9:9

10Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an’ ny zanakalahin’ ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin’ ny tomponao, hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompo roa-polo.Select 2 Samuel 9:10

11Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ ny mpanomponao. Fa ny amin’ i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin’ ny latabatro toy ny anankiray amin’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy.Select 2 Samuel 9:11

12Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’ i Ziba dia mpanompon’ i Mefiboseta avokoa.Select 2 Samuel 9:12

13Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.Select 2 Samuel 9:13

Next: 2 Samuel 10Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Samuel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.