Skip to content
Church.wiki
Judges

Judges 10

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary taorian’ i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak’ i Dodo, lehilahy avy tamin’ ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin’ ny tany havoan’ i Efraima izy.Select Judges 10:1

2Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.Select Judges 10:2

3Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.Select Judges 10:3

4Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin’ ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.Select Judges 10:4

5Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.Select Judges 10:5

6Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’ i Syria sy ny andriamanitr’ i Sidona sy ny andriamanitr’ i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’ i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’ i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.Select Judges 10:6

7Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ ny Filistina sy ho eo an-tànan’ ny taranak’ i Amona Izy.Select Judges 10:7

8Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak’ Isiraely ireo tamin’ izany taona izany: valo ambin’ ny folo taona no nampahoriany ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay tany an-dafin’ i Jordana, tany amin’ ny tanin’ ny Amorita any Gileada.Select Judges 10:8

9Ary nita an’ i Jordana ny taranak’ i Amona mba hiady koa amin’ ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak’ i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.Select Judges 10:9

10Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an’ Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.Select Judges 10:10

11Ary hoy Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak’ i Amona ary ny Filistina va Aho?Select Judges 10:11

12Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin’ ny tànany.Select Judges 10:12

13Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.Select Judges 10:13

14Mandehana, ka mitaraina amin’ ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin’ ny andron’ ny fahantranareo.Select Judges 10:14

15Ary hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.Select Judges 10:15

16Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’ i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ ny Isiraely.Select Judges 10:16

17Dia nivory ny taranak’ i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak’ Isiraely ka nitoby tany Mizpa.Select Judges 10:17

18Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan’ i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Amona? dia ho lohany amin’ ny mponina rehetra any Gileada izy.Select Judges 10:18

Next: Judges 11Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Judges

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.