Skip to content
Church.wiki
Judges

Judges 12

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary nivory ny lehilahy amin’ ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin’ i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ ny afo ny tranonao sy ianao.Select Judges 12:1

2Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin’ ny taranak’ i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin’ ny tànany ianareo.Select Judges 12:2

3Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?Select Judges 12:3

4Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin’ ny Gileada ka niady tamin’ ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin’ ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin’ ny Efraima ao amin’ ny taranak’ i Efraima sy Manase.Select Judges 12:4

5Dia novonjen’ ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin’ ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin’ ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin’ ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,Select Judges 12:5

6dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin’ ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’ izany andro izany.Select Judges 12:6

7Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin’ ny tanana anankiray any Gileada.Select Judges 12:7

8Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an’ i Jefta.Select Judges 12:8

9Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an’ ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.Select Judges 12:9

10Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.Select Judges 12:10

11Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.Select Judges 12:11

12Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ ny tanin’ ny Zebolona.Select Judges 12:12

13Ary Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.Select Judges 12:13

14Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.Select Judges 12:14

15Dia maty Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ ny tanin’ ny Efraima any amin’ ny tany havoan’ ny Amalekita.Select Judges 12:15

Next: Judges 13Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Judges

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.