Skip to content
Church.wiki
Judges

Judges 15

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary nony afaka kelikely, tamin’ ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak’ osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin’ ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,Select Judges 15:1

2fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an’ ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masìna ianao, aoka izy halainao ho solony.Select Judges 15:2

3Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.Select Judges 15:3

4Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon’ ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan’ ny rambony ilay hatao fanilo.Select Judges 15:4

5Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin’ ny varin’ ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.Select Judges 15:5

6Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton’ ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an’ ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin’ ny afo.Select Judges 15:6

7Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.Select Judges 15:7

8Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak’ ilay harambato mitresaka any Etama.Select Judges 15:8

9Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin’ ny Joda ka niely tany Lehy.Select Judges 15:9

10Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an’ i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.Select Judges 15:10

11Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin’ ny Joda nankany amin’ ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin’ i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.Select Judges 15:11

12Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan’ ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.Select Judges 15:12

13Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin’ ilay harambato.Select Judges 15:13

14Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’ i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ ny afo ny mahazaka teny amin’ ny sandriny ary afaka tamin’ ny tànany ny fatorana.Select Judges 15:14

15Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.Select Judges 15:15

16Ary hoy Samsona: Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.Select Judges 15:16

17Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.Select Judges 15:17

18Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ ny tanan’ ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ ny tsy mifora!Select Judges 15:18

19Dia nampitresahin’ Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.Select Judges 15:19

20Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin’ ny andron’ ny Filistina izy.Select Judges 15:20

Next: Judges 16Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Judges

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.