Skip to content
Church.wiki
Zechariah

Zechariah 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tamin’ ny volana fahavalo tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, nanao hoe:Select Zechariah 1:1

2Tezitra indrindra tamin’ ny razanareo Jehovah.Select Zechariah 1:2

3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Zechariah 1:3

4Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin’ ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.Select Zechariah 1:4

5Ny razanareo ― aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany ― moa velona mandrakizay va ireny?Select Zechariah 1:5

6Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.Select Zechariah 1:6

7Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo (volana Sebata izany) tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, ny tenin’ i Jehovah nanao, hoe:Select Zechariah 1:7

8Nahita tamin’ ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.Select Zechariah 1:8

9Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ ireo.Select Zechariah 1:9

10Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’ Jehovah hivoivoy eny amin’ ny tany.Select Zechariah 1:10

11Ary namaly Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teny amin’ ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin’ ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.Select Zechariah 1:11

12Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.Select Zechariah 1:12

13Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.Select Zechariah 1:13

14Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Jerosalema sy Ziona Aho.Select Zechariah 1:14

15Ary tezitra indrindra Aho amin’ ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.Select Zechariah 1:15

16Koa izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.Select Zechariah 1:16

17Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’ i Ziona ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.Select Zechariah 1:17

Next: Zechariah 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Zechariah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.