Zechariah 11
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ ny afo ny sederanaoSelect Zechariah 11:1
2Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindroSelect Zechariah 11:2
3Injay! fidradradradran’ ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron’ ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron’ i JordanaSelect Zechariah 11:3
4Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,Select Zechariah 11:4
5dia ireo vonoin’ ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azySelect Zechariah 11:5
6Fa tsy hiantra ny mponina amin’ ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan’ ny namany sy samy ho eo an-tanan’ ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin’ ny tànany Aho.Select Zechariah 11:6
7Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.Select Zechariah 11:7
8Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin’ ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny.Select Zechariah 11:8
9Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ ny namany avy.Select Zechariah 11:9
10Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ ny firenena rehetra.Select Zechariah 11:10
11Ary tapaka tamin’ izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin’ i Jehovah izany.Select Zechariah 11:11
12Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.Select Zechariah 11:12
13Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin’ ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin’ ny mpanefy tanimanga tao an-tranon’ i Jehovah.Select Zechariah 11:13
14Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian’ i Joda sy Isiraely.Select Zechariah 11:14
15Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ ny mpiandry ondry adala.Select Zechariah 11:15
16Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.Select Zechariah 11:16
17Lozan’ ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.Select Zechariah 11:17
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation