Zechariah 2
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.Select Zechariah 2:1
2Ary hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.Select Zechariah 2:2
3Ary dia nanehoan’ i Jehovah mpiasa efatra aho.Select Zechariah 2:3
4Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ ny tanin’ ny Joda hanely azy.Select Zechariah 2:4
5Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.Select Zechariah 2:5
6Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’ i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.Select Zechariah 2:6
7Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azySelect Zechariah 2:7
8ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin’ io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan’ ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.Select Zechariah 2:8
9Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.Select Zechariah 2:9
10He! he! mandosira avy any amin’ ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.Select Zechariah 2:10
11He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.Select Zechariah 2:11
12Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.Select Zechariah 2:12
13Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin’ ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy.Select Zechariah 2:13
14Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.Select Zechariah 2:14
15Ary firenena maro no hanaiky ho an’ i Jehovah amin’ izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.Select Zechariah 2:15
16Ary Jehovah hanana an’ i Joda ho anjarany ao amin’ ny tany masìna ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.Select Zechariah 2:16
17Mangìna eo anatrehan’ i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin’ ny fitoerany masìna Izy.Select Zechariah 2:17
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain