Zechariah 4
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.Select Zechariah 4:1
2Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ ny isan’ ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;Select Zechariah 4:2
3ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo ankavanan’ ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.Select Zechariah 4:3
4Dia niteny tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?Select Zechariah 4:4
5Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.Select Zechariah 4:5
6Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’ i Jehovah amin’ i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Zechariah 4:6
7Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’ i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!Select Zechariah 4:7
8Dia tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Zechariah 4:8
9Ny tànan’ i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.Select Zechariah 4:9
10Fa iza no nanamavo ny andron’ ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan’ i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason’ i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetraSelect Zechariah 4:10
11Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?Select Zechariah 4:11
12Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon’ oliva roa eo amin’ ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?Select Zechariah 4:12
13Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.Select Zechariah 4:13
14Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.Select Zechariah 4:14
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation