Skip to content
Church.wiki
Zechariah

Zechariah 5

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.Select Zechariah 5:1

2Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.Select Zechariah 5:2

3Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.Select Zechariah 5:3

4Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka hiditra ao an-tranon’ ny mpangalatra sy ao an-tranon’ izay mianian-tsy tò amin’ ny anarako ary hitoetra ao amin’ ny tranony ka handevona azy mbamin’ ny hazony sy ny vatony.Select Zechariah 5:4

5Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.Select Zechariah 5:5

6Dia hoy izaho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana’ mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin’ ny tany rehetraSelect Zechariah 5:6

7(ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin’ ny vata famarana.Select Zechariah 5:7

8Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin’ ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan’ io ny vato firaka.Select Zechariah 5:8

9Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.Select Zechariah 5:9

10Dia hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ ireto ny vata famarana.Select Zechariah 5:10

11Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin’ ny fipetrahany izy.Select Zechariah 5:11

Next: Zechariah 6Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Zechariah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.