Skip to content
Church.wiki
Zechariah

Zechariah 6

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan’ ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.Select Zechariah 6:1

2Tamin’ ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin’ ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;Select Zechariah 6:2

3tamin’ ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena.Select Zechariah 6:3

4Dia nanontany tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?Select Zechariah 6:4

5Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.Select Zechariah 6:5

6Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin’ ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin’ ny tany atsimo.Select Zechariah 6:6

7Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin’ ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin’ ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin’ ny tany izy.Select Zechariah 6:7

8Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin’ ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin’ ny tany avaratra.Select Zechariah 6:8

9Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Zechariah 6:9

10Mandraisa avy amin’ ny babo, dia amin’ i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin’ izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon’ i Josia, zanak’ i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,Select Zechariah 6:10

11eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe;Select Zechariah 6:11

12dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’ i Jehovah.Select Zechariah 6:12

13Eny, Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa.Select Zechariah 6:13

14Ary ny satro-boninahitra dia ho an’ i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak’ i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah.Select Zechariah 6:14

15Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.Select Zechariah 6:15

Next: Zechariah 7Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Zechariah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.