Skip to content
Church.wiki
Zechariah

Zechariah 7

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria, tamin’ ny andro fahefatra tamin’ ny volana fahasivy (Kisleva izany);Select Zechariah 7:1

2ary Betela efa naniraka an’ i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin’ i JehovahSelect Zechariah 7:2

3ka hiteny amin’ ny mpisoron’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy amin’ ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin’ ny taon-dasa ela?Select Zechariah 7:3

4Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:Select Zechariah 7:4

5Lazao amin’ ny vahoaka rehetra amin’ ny tany sy amin’ ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin’ izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?Select Zechariah 7:5

6Ary raha mihinana sy misotro ianareo, moa tsy mihinana sy misotro ho an’ ny tenanareo ihany va ianareo?Select Zechariah 7:6

7Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain’ i Jehovah nantsoin’ ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka?Select Zechariah 7:7

8Ary tonga tamin’ i Zakaria ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Zechariah 7:8

9Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ ny rahalahiny avy;Select Zechariah 7:9

10ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.Select Zechariah 7:10

11Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.Select Zechariah 7:11

12Eny, nanao ny fony ho mafy, toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’ ny Fanahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, holazain’ ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro,Select Zechariah 7:12

13Koa toy ny niantsoan’ ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro;Select Zechariah 7:13

14fa haeliko amin’ ny tafio-drivotra ho any amin’ ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.Select Zechariah 7:14

Next: Zechariah 8Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Zechariah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.