Skip to content
Church.wiki

Psalms Psalm 1 Baiboly Malagasy (1865)

Poetry & wisdom · Psalms · Baiboly Malagasy (1865) · 6 verses

Verse layout
📝 Overview of this psalm Flow, key verses and people

시편의 첫 시로, 여호와의 율법을 즐거워하며 묵상하는 의인과 바람에 나는 겨 같은 악인의 길을 대조하는 6절짜리 지혜시이다.

Jump to verse

1Psalms · Baiboly Malagasy (1865)
1Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny lalana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira; Notes
2Fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina.
3Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. Notes
4Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin’ ny rivotra izy.
5Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ ny fitsarana, na ny mpanota eo amin’ ny fiangonan’ ny marina.
6Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.

Baiboly Malagasy (1865)
Tap a verse to copy, share, highlight or add a note. Dotted words link to encyclopedia articles.

6 verses in this psalm
1 / 150 psalms

The text is Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — From getbible.net (CrossWire SWORD module) · license: 공개 도메인 (Public Domain) Highlights, notes and read marks stay with the chapter whichever version you read. Dotted words are people, places and terms that have an encyclopedia article (marked once per page). Highlights, notes and read marks are saved only in this browser and gathered under My marks.

Verse commentaries for this psalm 2

Articles mentioning this psalm

More