Psalms 102
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.Select Psalms 102:2
3Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.Select Psalms 102:3
4Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.Select Psalms 102:4
5Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.Select Psalms 102:5
6Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro.Select Psalms 102:6
7Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.Select Psalms 102:7
8Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.Select Psalms 102:8
9Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.Select Psalms 102:9
10Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,Select Psalms 102:10
11Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.Select Psalms 102:11
12Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.Select Psalms 102:12
13Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.Select Psalms 102:13
14Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.Select Psalms 102:14
15Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.Select Psalms 102:15
16Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;Select Psalms 102:16
17Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;Select Psalms 102:17
18Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.Select Psalms 102:18
19Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah;Select Psalms 102:19
20Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany,Select Psalms 102:20
21Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,Select Psalms 102:21
22Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,Select Psalms 102:22
23Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah.Select Psalms 102:23
24Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;Select Psalms 102:24
25Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.Select Psalms 102:25
26Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra.Select Psalms 102:26
27Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;Select Psalms 102:27
28Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.Select Psalms 102:28
29Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.Select Psalms 102:29
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain