Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 103

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna.Select Psalms 103:1

2Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,Select Psalms 103:2

3Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,Select Psalms 103:3

4Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,Select Psalms 103:4

5Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ ny voromahery.Select Psalms 103:5

6Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’ izay rehetra ampahorina.Select Psalms 103:6

7Efa nampahafantatra an’ i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak’ Isiraely nampahafantariny ny asany.Select Psalms 103:7

8Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.Select Psalms 103:8

9Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.Select Psalms 103:9

10Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.Select Psalms 103:10

11Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany No haben’ ny famindram-pony amin’ izay matahotra Azy.Select Psalms 103:11

12Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.Select Psalms 103:12

13Tahaka ny fiantràn’ ny ray ny zanany No fiantran’ i Jehovah izay matahotra Azy;Select Psalms 103:13

14Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.Select Psalms 103:14

15Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,Select Psalms 103:15

16Satria tsofin’ ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.Select Psalms 103:16

17Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka.Select Psalms 103:17

18Dia amin’ izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.Select Psalms 103:18

19Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.Select Psalms 103:19

20Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny.Select Psalms 103:20

21Misaora an’ i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.Select Psalms 103:21

22Misaora an’ i Jehovah, ny asany rehetra eran’ ny fanjakany; Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko.Select Psalms 103:22

Next: Psalms 104Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.