Psalms 104
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,Select Psalms 104:1
2Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,Select Psalms 104:2
3Ary mametraka ny rairain-drihan’ ny tranony amin’ ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ ny elatry ny rivotra,Select Psalms 104:3
4Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.Select Psalms 104:4
5Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.Select Psalms 104:5
6Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.Select Psalms 104:6
7Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon’ ny kotrokoranao dia nirifatra izySelect Psalms 104:7
8Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin’ izay namboarinao hitoerany.Select Psalms 104:8
9Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.Select Psalms 104:9
10Mampandeha loharano eny amin’ ny lohasaha Izy; Eny anelanelan’ ny tendrombohitra no alehan’ ireny,Select Psalms 104:10
11Ka isotroan’ ny bibi-dia rehetra, Sy analan’ ny boriki-dia ny hetahetany;Select Psalms 104:11
12Eo amboniny no itoeran’ ny voro-manidina; Ary eo amin’ ny ran-tsan-kazo no anenoany.Select Psalms 104:12
13Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.Select Psalms 104:13
14Mampaniry ahitra ho an’ ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin’ ny tany.Select Psalms 104:14
15Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona.Select Psalms 104:15
16Voky ny hazon’ i Jehovah, Dia ny sederan’ i Libanona, izay namboleny;Select Psalms 104:16
17Izay anaovan’ ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin’ ny kypreso no anaovany ny tranony.Select Psalms 104:17
18Ny tendrombohitra avo dia ho an’ ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an’ ny hyraka.Select Psalms 104:18
19Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.Select Psalms 104:19
20Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ ala;Select Psalms 104:20
21Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin’ Andriamanitra.Select Psalms 104:21
22Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.Select Psalms 104:22
23Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ ny andro.Select Psalms 104:23
24Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.Select Psalms 104:24
25Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.Select Psalms 104:25
26Any no alehan’ ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.Select Psalms 104:26
27Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ ny fotoany.Select Psalms 104:27
28Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;Select Psalms 104:28
29Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy,Select Psalms 104:29
30Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao.Select Psalms 104:30
31Ho mandrakizay anie ny voninahitr’ i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ ny asany.Select Psalms 104:31
32Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.Select Psalms 104:32
33Hihira ho an’ i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’ Andriamanitro aho, raha mbola miaina.Select Psalms 104:33
34Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’ i Jehovah.Select Psalms 104:34
35Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.Select Psalms 104:35
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain